Fomba tsotra fanaovana « cake » vita amin’ny vomanga
Te hanandrana tsindrin-tsakafo hafa kely, mamy voajanahary ary malefaka tsara ve ianao? Andramo indray ary ity « cake » vita amin’ny vomanga ity izay sady malefaka, manitra ary misy tsiro mamy malefaka, tian’ny rehetra na atao sakafo maraina na atao « goûter ».
Ireo akora ilaina raha hanao « cake » vita amin’ny vomanga iray
-Vomanga 250 g (lanjany rehefa masaka sy voapotsitra),
-Lafarina 150 g,
-Siramamy 100 g (tsara kokoa raha siramamy mena),
-Atody 2,
-Menaka 80 ml,
-Leviora 1 sachet,
-Kanelina 1 sotrokely (tsy voatery fa tena manatsara tsiro),
-Vanila 1 sotrokely,
-Sira kely.
Azo ampiana (raha tiana):
-Voanjo voapotipotika 50 g
-Chocolat potika 50 g
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Karakaraina ny vomanga. Voasana, tetehana ary andrahoina (amin’ny etona na anaty rano) mandra-pahalefany tsara. Rehefa masaka dia potserina ho lasa « purée » malama, dia avela hangatsiaka kely.
Afanaina ny lafaoro. Hafanaina amin’ny hafanana 180°C.
Afangaro ny akora mando. Ao anaty lovia jobo lehibe ary kapohana miaraka ny atody sy ny siramamy mandra-pahazo fangaro somary mibontsina. Ampiana ny menaka, ny vanila ary ny « purée » vomanga.
Arotsaka ny akora maina. Alefa ao anatin’ny fangaro teo ambony ny lafarina, ny leviora, ny sira ary ny kanelina. Afangaro mandra-pahazoana paty mirindra tsara.
Alefa ao ny voanjo sy chocolat (raha tiana).
Miditra amin’ny fandrahoana. Araraka ao anaty « moule à cake » efa nasiana menaka na « papier cuisson » ny paty. Atao anaty lafaoro mandritra ny 40–50 minitra. Tsindromina amin’ny lohan’antsy ka raha mivoaka maina dia efa masaka.
Avela hangatsiaka alohan’ny hanalana azy ao anaty « moule » sy hitetehana azy.




