• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ireo fahadisoana manimba ny feo ary ny fomba hisorohana izany

16/04/2026 09:16 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny faha 4 Aprily ny andro maneran-tany ho an’i feo. Natao izy io mba hampatsahivana antsika fa fitaovana tsy hita maso tena ilaina ny feo. Miresaka, mihira, mampianatra, mandresy lahatra… eo afovoan’ny fianantsika andavanandro izy io. Tranga mety miseho tokoa mantsy ny hoe reraka, miova na lasa tanteraka ny feo. Ireto ary ireo fahadisoana mahazatra manimba ny feo sy ny torohevitra manampy hisorohana izany.

Fahadisoana manimba ny feo : miteny mafy loatra

Ny fitenenana mafy maharitra dia isan’ireo fahadisoana manimba ny feo. Ny fihikiakana rehefa mijery fety, fitenena mafy mba handresena tabataba, na koa fanerena feo ho mafy rehefa mihira dia mampiasa mafy loatra ny tadim-peo. Mba hisorohana izany dia tsara raha manakaiky ny olona iresahana, mampiasa fitaovana fanamafisam-peo raha ilaina, ary maka aina matetika mba hampitsaharana ny feo.

Tsy misotro rano ampy

Mila hamandoana tsara ny tadim-peo mba hiasa tsara. Raha maina izy, dia mora reraka sy mora simba. Mba hitandrovana ny fiasan’ny tadim-peo sy ny fahasalamany dia fadiana ny misotro kafe na alikaola be loatra. Tsy dia tsara ihany koa ny mipetraka amin’ny toerana maina rivotra. Ny tokony atao dia ny misotro rano matetika mandritra ny andro, eny na dia tsy mangetaheta aza. Izany hoe tsy atao latsaky ny 1,5 litatra isan’andro ny rano sotroina, sady mitandro ny fahasalamana ankapobeny ihany koa moa izany.

Manao “raclement de gorge” matetika (manadio tenda amin-kery)

Fomba fanaon’ny maro izy io, nefa tena manelingelina sy manorisory ny tadim-peo, indrindra raha atao matetika. Raha azo atao dia aleo tsy manao « raclement de gorge » mihitsy satria sady tsy mandaitra akory izy io no mety hanimba ny tadim-peo. Raha mahatsapa misy zavatra manelingelina ao an-tenda dia aleo misotro rano kely na mitelina moramora mba hanalana izany fahatsapana izany.

Miteny na efa marary na reraka aza

Rehefa marary isika, toy ny rehefa voan’ny sery, mikohaka na marary tenda, dia marefo ny feontsika. Raha mbola ampiasaina mafy izy amin’izany fotoana izany, dia mety vao maika hiharatsy ny toe-javatra. Noho izany dia fadiana ny manery ny feo rehefa tsy salama. Ny mety dia mampihena ny firesahana sy ny fihirana fa aleo miala sasatra tanteraka aloha.

Tsy manao fanazaran-tena mialoha

Toy ny vatana, mila “échauffement” ihany koa ny feo, indrindra raha hampiasaina ela (fampianarana, kabary, fihirana). Mba hitandrovana ny feo dia fadiana ny mihira na miteny maharitra avy hatrany tsy misy fiomanana. Alohan’ny hampiasana ny feo amin’ireo toe-javatra voalaza ireo dia azo atao ny manao fanazaran-tena tsotra, toy ny fanaovana « vocalises », fanaovana fanazaran-tena amin’ny fofonaina…

Tsy miraharaha ireo famantarana mampitandrina

Raha miova ny feo, maharary rehefa miteny, na reraka lava izy, dia mety misy olana mila jerena. Fadiana ny manao tsirambina ireo fambara voalaza ireo sy mamela izany mitohy ela. Raha maharitra andro maromaro ny olana dia aleo manatona mpitsabo mba hisorohana ny fahasimbana lehibe kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires