Te hisondrotra amin’ny asa : ireo fahadisoana mila ialana
Tsy mitsahatra ny mihamafy ny fifaninana amin’ny tontolon’ny asa. Tsy ny fahaiza-manao ara-teknika irery ihany no mamaritra ny fahafahan’ny olona iray hisondrotra amin’ny asa. Ny fomba fisainana, ny fahazarana, ny safidy atao isan’andro ary ny fahaizana mifandray amin’ny hafa dia samy manan-danja lehibe. Misy ihany koa ireo fahadisoana sasany, matetika tsy tsapa akory, izay mety hanakana ny fivoarana sy ny fisondrotana amin’ny asa. Araho eto ny santionany amin’izy ireny.
Fahadisona manakana ny fisondrotana amin’ny asa : tsy manana tanjona mazava
Ny tsy fananana tanjona mazava dia isan’ireo sakana lehibe indrindra tsy hafahana misondrotra amin’ny asa. Raha tsy fantatra tsara izay lalana tiana haleha, dia mora very amin’ny safidy isan-karazany, ary mety hanaiky asa na andraikitra tsy mifanaraka amin’ny tena vina. Ilaina arak’izany ny manao drafitr’asa na « plan de carrière » ahitana tanjona akaiky, antonony sy lavitra. Averina dinihina isaky 6 volana na isan-taona izy io mba hitantana ny ezaka sy ny safidy atao hatratraran’azy.
Tsy mampitombo ny fahaiza-manao
Miova haingana ny tontolon’ny asa sy ny teknolojia. Raha tsy manohy mianatra sy manatsara fahaiza-manao, dia mety ho taraiky sy sarotra hisondrotra amin’ny asa. Ankoatra ny fiofanana ara-dalàna, azo atao ny mianatra amin’ny alalan’ny boky, « vidéo », na traikefa mivantana amin’ny asa. Zava-dehibe koa ny fahaiza-manao malefaka (soft skills) toy ny fitantanana fotoana, fifandraisana, ary fahaiza-mamaha olana.
Tsy manamafy tambajotra matihanina (réseau professionnel)
Matetika ny olona dia variana mifantoka amin’ny asany ka manadino ny fifandraisana amin’ny olona hafa. Raha ny marina anefa, maro amin’ny « opportunités » ara-kasa no avy amin’ny tambajotra. Ny fananganana « réseau professionnel » dia tsy mifototra amin’ny fitadiavana na fangatahan’asa fotsiny ihany, fa koa mizara hevitra, manampy olona hafa, ary mandray anjara amin’ny hetsika matihanina na amin’ny tambajotra sosialy toy ny « LinkedIn ».
Tsy mahay mifandray sy mifampiresaka
Ny tsy fahampian’ny fifandraisana mazava dia mety hiteraka disadisa sy tsy fifankahazoana ao amin’ny toeram-piasana. Zava-dehibe ny fahaiza-mihaino (écoute active » sy ny fahaiza-miteny. Manatsara ny fiaraha-miasa sy ny fahatokisan’ny mpiara-miasa ny fahaizana maneho sy manazava hevitra amin’ny fomba tsotra sy mazava.
Tsy mazoto mandray andraikitra
Isan’ireo sakana lehibe amin’ny fisondrotana amin’ny asa ny fananana toetra miandry torimarika lava sady tsy manolotra hevitra na vahaolana. Mora mahazo « opportunités » kokoa ny mpiasa mavitrika izay mazoto manolotra vahaolana rehefa misy olana alohan’ny angatahana izany aminy. Izany moa no mampisongadina azy ireny eo imason’ny mpampiasa.
Tsy mikarakara ny endrika sy ny lazan’ny tena
Misy fiantraikany lehibe amin’ny fisondrotana amin’ny asa ny endrika ivelany sy ny lazan’ny tena, ohatra ny zavatra avoaka amin’ny aterineto. Ny “réputation professionnelle” dia voarafitry ny zavatra maro, toy fomba fitondran-tena any am-piasana, ny zavatra avoaka amin’ny tambajotra sosialy, ary ny fahamatorana amin’ny fifandraisana.



