• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé-Magazine.Webp
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sohika sy hatsiaka : fomba manampy hisorohana ny « crises »

09/04/2026 16:27 © Moov.Mg

Efa manomboka miditra tsikelikely anatin’ny vanim-potoana ririnina isika izao. Isan’ny fotoana mampiferotr’aina ny olona « asthmatique » izy io satria rehefa midina ny maripana dia mora mihetsika kokoa ny « crises ». Ny hatsiaka sy ny rivotra maina dia miteraka « irritation » ny « voies respiratoires ». Ny vaovao tsara dia misy ireo fomba tsotra afaka manampy hisorohana ny fihetsehan’ny sohika (asthme) sy hiainana milamina kokoa mandritra ny ririnina.

Inona no antony mampihetsika kokoa rehefa ririnina ?

Matetika dia maina ny rivotra mangatsiaka rehefa ririnina. Izany dia mety hahamaina ny « voies respiratoires » sy mahatonga azy ireo ho mora « irritées » kokoa. Ho an’ny olona misy sohika na « asthmatique » dia miteraka fikainkonan’ny « bronches » izany ary mampitombo ny famokarana tsiranoka ao anatin’ireto farany. Vokany : kohaka, fahasemporana, feo misioka rehefa miaina… na manao « crises » mihitsy. Ankoatra izay, ny hatsiaka dia mampitombo ny aretin’ny taovam-pisefoana (toy ny sery na « bronchite »), izay matetika mampitombo ny « risques » hampihetsika ny sohika.

Ireo fomba sy fahazarana tsara tokony harahina

Mba hampihena ny « risques » hampihetsika ny sohika rehefa ririnina na rehefa mangatsiaka ny andro dia misy ireo fomba sy fahazarana tsara tokony harahina :

Manao fitafy miaro amin’ny hatsiaka

Rehefa mangatsiaka ny andro, indrindra raha hivoaka ny trano, dia saronana amin’ny « écharpe » na « cache-nez » ny vava sy ny orona mba hafana kely ny rivotra alohan’ny hidirany ao amin’ny havokavoka. Manampy betsaka hampihenana ny « irritation » ny « voies respiratoires » izany.

Fadiana ny mivoaka rehefa tena mangatsiaka

Raha tena ambany be ny maripana na misy rivotra dia tsara kokoa ny mampihena ny fivoahana ny trano, indrindra raha hampiasa vatana, toy ny handeha tongotra lavitra, hiazakazaka… Fadiana arak’izay azo atao ihany koa ny mandeha kodiaran-droa satria vao maika mangatsiaka ny rivotra fohan’ny orona sy mikasoka amin’ny tratra.

Arahana tsara ny fitsaboana

Zava-dehibe ny fanarahana tsy tapaka ny fitsaboana fototra ny sohika mandritra ny ririnina, eny na dia tsy misy soritr’aretina aza. Ny tsara dia manao fanaraha-maso ara-dalàna any amin’ny mpitsabo alohan’ny hidiran’ny andro mangatsiaka. Miankina amin’ny toe-pahasalaman’ny marary dia mety hanitsy ny fatra na hanome fanafody fanokafana ny « voies respiratoires » ny mpitsabo hiatrehana ny ririnina.

Manao fanazaran-tena moramora alohan’ny hanao fanatanjahantena

Ho an’ireo olona misy sohika manao fanatanjahantena dia mila atomboka amin’ny fanazaran-tena (échauffement) moramora hatrany izany mba hahafahan’ny « voies respiratoires » miomana sy manaraka tsikelikely. Fadiana ny manao ezaka tampoka rehefa mangatsiaka be ny andro.

Ampidirina rivotra madio ao an-trano

Na dia amin’ny ririnina aza dia ilaina hatrany ny mampiditra rivotra madio ao an-trano mba hampihenana ny loto sy ny « allergène ». Ireto farany sy ny hamandoana ihany koa dia isan’ireo anton-javatra mora mampihetsika ny sohika. Tandremana kosa nefa ny fampidirana ny rivotra ao an-trano mba tsy hangatsiaka loatra indray. Ny mety dia sokafana vetivety 5 na 10 minitra ny varavarankely rehefa amin’ny fotoana tsy dia mangatsiaka loatra.

Rahoviana no tokony hanatona dokotera?

Raha toa ka mihamafy na mitombo ny soritr’aretin’ny sohika dia ilaina hatrany ny manantona mpitsabo. Mety ilaina ny manintsy ny fitsaboana mba hahafahana misoroka sy mifehy ny fihetsehan’ny sohika rehefa mangatsiaka ny andro.

Lire la suite

Articles Similaires