• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bébés Et Mamans
Image
Reny&Zaza

Fomba manampy hampivelatra ny faharanitan-tsain’ny zazakely

07/04/2026 15:29 © Moov.Mg

Manomboka ny volana voalohan’ny fiainan’ny zazakely dia efa mivoatra haingana be ny atidohany. Mandray anjara amin’ny fananganana ny fahaizany misaina ny fifandraisana rehetra aminy, ny zavatra hitany sy tsapany ary ny fihetseham-po iainany. Azo atao tsara etsy andaniny ny mampivelatra ny faharanitan-tsain’ny zazakely amin’ny fomba ara-boajanahary. Araho eto andinindininy mikasik’izany.

Resaho matetika ny zazakely

Na dia mbola tsy mahazo ny zavatra tenenina azy ny zazakely dia mandray tsara ny feo sy ny fiteny. Ny firesahana aminy matetika dia manampy amin’ny fampivelarana ny fahaizany miteny. Azonao hazavaina aminy ohatra ny ataonao isan’andro, tononina ny anaran’ny zavatra, na tantaraina aminy ny zava-mitranga. Zava-dehibe koa ny feonao sy ny fijerinao azy satria manamafy ny fifamatorana eo aminareo izany.

Amporisiho hijery sy hahita zava-baovao

Avelao ny zazakely hahafantatra ny tontolo manodidina azy ao anatin’ny fiarovana. Ny fikasihana, fijerena, fihainoana ary filalaovana zavatra dia manampy betsaka amin’ny fianarany. Omeo zavatra samihafa endrika, loko ary toetra izy mba handrisahana ny fahalianany.

Hamakio boky tantara izy

Na dia mbola kely aza ny zaza dia tsara hamakiana boky tantara matetika izy. Manampy amin’ny fampivelarana ny saina sy ny fahaiza-miteny izany. Ny boky misy sary dia mahasarika azy ary manampy azy hampifandray ny sary sy ny teny. Sady fotoana mampitombo ny fifankatiavana koa izany.

Milalaova miaraka aminy

Ny lalao no fomba fianarana lehibe indrindra ho an’ny zazakely. Ny kilalao toy ny ankiafina, hira miaraka amin’ny fihetsika… dia manampy amin’ny fitadidiana, ny fifandrindran’ny vatana ary ny fahatakarana ara-tsaina.

Avelao izy hifindra sy hivezivezy

Mifandray akaiky ny fivoaran’ny vatana sy ny saina. Avelao ny zazakely hivezivezy malalaka: handady, hivalampatra, hanakatra zavatra… Ireo hetsika ireo dia manampy amin’ny fampivoarana tsara ny atidohany.

Mamorona tontolo azo antoka sy feno fitiavana

Ny zazakely mahatsapa fa voaaro sy tiana dia sahy mandinika sy mianatra bebe kokoa. Ny famihinana, ny tsiky sy ny fikarakarana azy amin’ny andavanandro dia manamafy ny fahatokisany tena ary manampy betsaka amin’ny fivoaran’ny sainy.

Fero ny fampiasana efijery

Tsara lavitra ho an’ny zazakely ny fifandraisana mivantana amin’olona noho ny fijerena efijery toy ny finday, « tablette », fahitalavitra. Aleo mifampiresaka sy milalao aminy mivantana, satria izany no tena manampy amin’ny fivoaran’ny atidohany.

Hajao ny hafainganam-pivoarany

Samy manana ny hafainganam-pivoarany ny zaza tsirairay. Tsy tokony ampitahaina na terena izy ireo. Ny fandihinana akaiky azy dia ahafahanao mampifanaraka ny « activités » ampanaovinao azy amin’ny filàny sy ny fahaizany.

Lire la suite

Articles Similaires