• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Forte Cardiology Clinic
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo soritr’aretina tokony handrisika hanatona mpitsabo

07/04/2026 13:52 © Moov.Mg

Mbola maro eto amintsika no tsy mandeha dokotera avy hatrany rehefa misy soritr’aretina fa miezaka mitsabo tena ao an-trano. Mety handaitra ihany izany indraindray nefa koa mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana satria tsy voatsabo ara-potoana ny aretina. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo soritr’aretina tsy azo atao tsirambina ka tokony handrisika hanatona mpitsabo.

Soritr’aretina tokony handrisika hanatona : fanaintainana hafahafa na maharitra

Ny fanaintainana miseho tampoka, mihamafy, na tsy mety misinda ao anatin’ny andro vitsivitsy dia isan’ireo soritr’aretina tokony handrisika hanatona mpitsabo. Anisan’ireo fanaintanana tsy azo atao tsirambina ny :
-Fanaintainana eo amin’ny tratra izay mety mifandray amin’ny aretim-po,
-Fanaintanana mafy eo amin’ny kibo izay mety ho vonjy taitra ara-pahasalamana,
-Aretin’andoha mafy sy tsy fahita izay mety manondro olana ao amin’ny loha.
Amin’ireo karazana tranga ireo dia tsara ny manatona dokotera malaky.

Tazo avo na maharitra

Ny tazo (fièvre) dia isan’ireo famantarana fa miady amin’ny aretina ny vatana. Mampanahy kosa nefa izy io raha toa ka :
-Mihoatra ny 39°C ny hafanana,
-Maharitra mihoatra ny 2 na 3 andro,
-Miaraka amin’ny soritr’aretina toy ny mangatsiaka be, miziriziry ny hatoka, sahirana miaina.

Olana na fahasarotana amin’ny fifohana rivotra

Ny fahasarotana miaina dia soritr’aretina lehibe mila fitandremana. Tokony hanatona dokotera avy hatrany raha misy :
-fahasemporana tsy mahazatra,
-fahatsapana ho sempotra na ho kenda,
-fifohana rivotra haingana na misy feo.
Mety manondro aretina sarotra mila fitsaboana haingana izany.

Fihenan-danja tsy fantatra antony

Raha mihena lanja ianao nefa tsy nanova sakafo na fomba fiaina, dia mety misy olana miafina ao. Mety ho izany ho vokatry ny olana amin’ny hormonina, fandevonan-kanina, na aretina hafa. Na dia tsy misy soritr’aretina hafa miseho àry arak’izany dia tsara hatrany ny manatona mpitsabo raha mihena na mihamahia tampoka tsy fantatra antony.

Fivoahan-drà tsy ara-dalàna

Ny fivoahan-drà tsy mahazatra dia tokony hampanahy foana, toy ny :
-mandoa na kohaka misy rà,
-rà ao amin’ny kakà na amin’ny pipy,
-fivoahan-drà ivelan’ny fadimbolana na aorian’ny fitsaharany (ménopause).

Fiovana amin’ny fiasan’ny atidoha

Misy ihany koa ireo soritr’aretina mifandray amin’ny saina sy ny atidoha izay mila jerena malaky :
-very saina tampoka,
-fisavorovoroan’ny saina,
-fahasarotana miteny na mahita,
-fahalemena na tsy fahafahana mihetsika amin’ny ilany iray amin’ny vatana.
Mety ho famantarana aretina maika ireo.

Zava-dehibe ny fihainoana ny vatana

Tsy tokony hamaivanina ny soritr’aretina hafahafa na tsy mahazatra. Na dia tsy voatery ho aretina mafy aza ny mahavoa dia manampy hatrany amin’ny fisorohana ny fahasarotana ny fahitana sy fitsaboana mialoha. Noho izany, raha misy fisalasalana dia aleo manatona mpitsabo toy izay miandriandry.

Lire la suite

Articles Similaires