• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bbc
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikirakirana finday : fahazarana sa efa fiankinan-doha ?

31/03/2026 11:39 © Moov.Mg

Ankehitriny, efa lasa toy ny ampahany amin’ny tenantsika ny finday. Ampiasaintsika izy io hifandraisana, hiasana, hialana voly, hahazoana vaovao… fa indraindray koa dia hanalana ny fahanginana sy ny fahabangan’ny fotoana. Fahazarana fotsiny ihany àry ve ny fikirakirana lava ny finday sa efa fiankinan-doha ? Araho eto ny andinindininy mikasik’izany.

Miseho miandalana ny fiankinan-doha amin’ny finday

Tsy tonga tampoka ny fiankinan-doha amin’ny finday. Miseho miadana izy io, avy amin’ny fahazarana kely isan’andro. Tany am-boalohany isika dia nampiasa finday noho ny antony mazava : handray antso, hamaly hafatra na hijery vaovao. Rehefa mandeha nefa ny fotoana dia lasa fahazarana tsy voahevitra intsony izany. Mety hanokatra finday isika nefa tsy misy antony mazava, fa noho ny fahazarana fotsiny. Noho io fivoarany miandalana dia sarotra ny amantarana hoe efa miankin-doha isika. Mieritreritra isika fa mbola mafehy tena, kanefa tsy izay intsony ny zava-misy.

Ny anjara toeran’ny “notifications” sy ny « récompenses »

Ny “applications” ao amin’ny finday dia natao hisarihana ny saintsika. Zava-dehibe amin’izany ny “notifications”. Isaky ny maneno na misy « vibration » ny finday dia misy karazana fampanantenana: mety misy hafatra, “like”, na vaovao avy amin’ny tambajotra sosialy na amin’ny SMS.
Izany dia mampihetsika ao amin’ny atidoha ilay rafitra mitondra fahafinaretana (dopamine). Ny olana anefa dia tsy fantatra mialoha ny vokany: indraindray tsy misy zava-dehibe, indraindray kosa misy zavatra mahafaly. Io tsy fahafantarana io no mahatonga antsika hijery finday matetika, toy ny milalao vintana.

Ny tahotra sao misy zava-dehibe tsy tratra

Antony iray mahatonga antsika ho lasa miankin-doha amin’ny finday ihany koa ny tahotra sao misy zavatra tsy ho fantatra na ho araka. Matahotra isika sao tsy mahita vaovao, tsy maharaka resaka, na tsy mahita izay ataon’ny hafa.
Izany tahotra izany no mahatonga antsika hijery finday foana, na dia tsy tena ilaina aza. Tsy noho ny filàna izany indraindray, fa noho ny tahotra fotsiny.

Fitaovana mameno ny fahabangana rehetra

Lasa namana amin’ny fotoana banga rehetra ny finday. Na eny an-dalana, na miandry filaharana, na amin’ny fotoana fohy malalaka, dia kirakiraina avy hatrany izy.
Rehefa zatra izany ny atidoha dia sarotra aminy ny miaritra fahanginana. Ny finday no lasa vahaolana haingana hanalana izany fahatsapana izany, ka vao mainka mampitombo ny fahazarana.

Ahoana no hifehezana izany ?

Ny dingana voalohany hifehezana ny fiankinan-doha amin’ny finday dia ny fahatsapana fa manana fiankinan-doha amin’izy io. Avy eo dia azo atao ny manova tsikelikely ny fahazarana: mampihena “notifications”, mametra ny fotoana hampiasana ny finday, na mametraka azy lavitra rehefa miasa na miala sasatra.
Tsy ny tsy hampiasa finday tanteraka no tanjona, fa ny hampiasa azy amin’ny fomba voalanjalanja sy voafehy.

Lire la suite

Articles Similaires