Homamiadan’ny nono eo amin’ny vehivavy tanora : mihamaro ireo tranga
Ny homamiadan’ny nono no karazana homamiadana mahazo matetika indrindra ny vehivavy maneran-tany. Nandritra ny fotoana ela dia noheverina ho aretina mahazo indrindra ny vehivavy efa nahazo taona izy io. Tsikaritra nefa amin’izao fotoana izao fa mihamaro ny vehivavy tanora voakasik’izany, indraindray alohan’ny faha 40 taona. ‘Ndeha ho resahana eto ireo antony lehibe mety mahatonga ny homamiadan’ny nono eo amin’ny vehivavy tanora sy ny fomba manampy hiadiana amin’izany.
Ny antony lehibe mahatonga ny homamiadan’ny nono amin’ny vehivavy tanora
Tsy misy antony tokana mahatonga ny homamiadan’ny nono. Matetika izy io dia vokatry ny fifangaroan’ny anton-javatra, toy ny « génétique », hormonina, tontolo iainana ary fomba fiaina.
Ny antony « génétique » sy ny tantaram-pianakaviana
Manana anjara toerana lehibe ny lova « génétique », indrindra amin’ny vehivavy tanora. Ny fiovan’ny « gène » sasany, toy ny BRCA1 sy BRCA2, dia mampitombo be ny mety hahazoan’ny olona homamiadan’ny nono mandritra ny androm-piainany.
Raha misy olona akaiky ao amin’ny fianakaviana (reny, rahavavy, na zanaka vavy) efa voan’ity aretina ity, dia mety hiakatra kokoa ny « risques » hahavoa.
Ny antony avy amin’ny hormonina
Ny faharetan’ny fisin’ny hormonina « oestrogène » ao amin’ny vatana dia mety hampitombo ny « risques » hahazoana homamiadan’ny nono. Misy moa ireo toe-javatra sasany mahatonga izany, toy ny:
-fahatongavan’ny fadimbolana aloha loatra (alohan’ny 12 taona),
-fiterahana voalohany tara,
-tsy mbola niteraka mihitsy,
-fahataran’ny fidirana amin’ny « ménopause ».
Rehefa maharitra ela kokoa ny fiantraikan’ny hormonina amin’ny vatana dia mety hanampy amin’ny fivoaran’ny sela misy homamiadana (cellules cancéreuses) izany.
Ny fomba fiaina ankehitriny
Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ihany koa ny fomba fiaina. Anisan’ireo antony mety hampitombo ny « risques » ny:
-fisotroana alikaola matetika,
-fifohana sigara,
-tsy fahampian’ny fanatanjahantena,
-hatavezana na lanja mihoatra ny tokony ho izy.
Ireo rehetra ireo dia mety hanova ny fifandanjan’ny hormonina ao amin’ny vatana ka hanamora ny fivoaran’ny homamiadana.
Ny antony avy amin’ny tontolo iainana
Ny fifampikasohana amin’ny akora simika sasany na taratra (radiation) dia mety hampitombo ny « risques » hahazoana homamiadan’ny nono. Ohatra, raha tratran’ny taratra mahery ny olona iray tamin’ny fahazazany na fahatanorany dia mety hiakatra ny mety hahazoany ity aretina ity.
Zava-dehibe ny fisorohana sy ny fitiliana aloha
Manoloana ny fitombon’ireo trangana homamiadan’ny nono eo amin’ny vehivavy tanora dia zava-dehibe ny fisorohana sy ny fitiliana mialoha. Ireto misy torohevitra fototra tsara ampiharina :
-mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja,
-manao fanatanjahantena tsy tapaka,
-mampihena na misoroka ny alikaola sy sigara,
-manara-maso ny fiovan’ny nono (toy ny fivontosana na fanaintainana tsy mahazatra)
Rehefa hita mialoha ny homamiadan’ny nono dia avo kokoa ny vintana hahasitranana, ary matetika mora kokoa ny fitsaboana.




