Tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka : rahoviana no tokony hanahy ?
Ny tosi-drà avo (hypertension) dia mahakasika eo amin’ny 5 ka hatramin’ny 10%-n’ny vehivavy bevohoka. Raha voafehy tsara izy io dia mety ho malefaka. Mety hitarika fahasarotana kosa nefa raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Noho izany, rahoviana no tokony hanahy ny tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka ? Inona avy ireo famantarana mampitandrina ? Araho eto àry ny zavatra tokony ho fantatra.
Inona ny atao hoe tosi-drà avo mandritra ny fitondrana vohoka?
Lazaina ho avo ny tosidrà rehefa mahatratra 140/90 mmHg na mihoatra ny refy, ary voamarina imbetsaka izany. Mandritra ny fitondrana vohoka dia misy karazany telo lehibe izy io :
-Tosidrà avo efa nisy talohan’ny fitondrana vohoka na hita alohan’ny herinandro faha-20 ny vohoka,
-Tosidrà avo miseho mandritra ny vohoka (hypertension gestationnelle) amin’ny vehivavy tsy nanana olana teo aloha. Aorian’ny herinandro faha-20 ny vohoka izy io no mipoitra. Matetika dia miverina ara-dalàna aorian’ny fiterahana.
-« Prééclampsie » izay fahasarotana lehibe kokoa no izy mampifandray tosidrà avo sy fahasimban’ny taova, indrindra ny voa (miseho amin’ny alalan’ny fisian’ny proteinina ao anaty pipy).
Rahoviana no tokony hanahy ?
Misy ireo toe-javatra mitaky fitsaboana haingana, indraindray aza maika :
Refy mampiahiahy
-Tosidrà 160/110 mmHg na mihoatra,
-Fiakarana tampoka sy haingana,
-Tsy voafehy na dia efa misy fitsaboana aza.
Soritr’aretina mampitandrina
Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha misy famantarana toy ny :
-Aretin’andoha mafy sy maharitra,
-Fahitana manjavozavo na misy hazavana mitselatra,
-Fanaintainana eo amin’ny faritra ambony amin’ny kibo,
-Maloiloy na mandoa tsy mahazatra,
-Fivontosana tampoka amin’ny tarehy na tanana,
-Fihenan’ny fihetsiky ny zaza ao an-kibo.
Ireo soritr’aretina ireo dia mety manambara « prééclampsie » mafy, na koa fahasarotana antsoina hoe « éclampsi »e (miteraka fihetsiketsehana na fihovitrovitra tsy voafehy).
Inona avy ny loza mety hitranga?
Raha tsy voafehy tsara ny tosidrà mandritra ny fitondrana vohoka dia mety hiteraka:
Ho an’ny reny:
Fahatapahan’ny lalan-drà ao amin’ny loha (AVC),
Fahasimban’ny voa na aty,
« Éclampsie »
Ho an’ny zaza:
-Fitomboana miadana ao an-kibo,
-Faterahana aloha loatra,
-Fahasahiranan’ny zaza ao an-kibo
Na izany aza, raha misy fanaraha-maso tsy tapaka, dia mandeha tsara ny ankamaroan’ny fitondrana vohoka.
Iza no atahorana kokoa?
Misy ireo antony mampitombo ny « risques » ahatonga ny tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka :
-Fitondrana vohoka voalohany,
-Mitondra kambana na mihoatra,
-Efa nanana tosidrà avo na « prééclampsie » taloha,
-Diabeta,
-Lanja be loatra,
-Taonan’ny reny mihoatra ny 35 taona.
Ahoana ny fitsaboana sy fanaraha-maso ?
Miankina amin’ny hamafin’ny toe-javatra ny fikarakarana:
-Fijerena ara-pahasalamana matetika (fitsapana sy rà),
-Fandrefesana tosi-drà ao an-trano,
-Fanafody azo ampiasaina mandritra ny vohoka,
-Fampidirana hopitaly raha ilaina,
-Fampiterahana haingana raha misy loza mitatao,
Ny tanjona dia ny hiaro ny reny sy ny zaza, ary hanalava ny vohoka araka izay azo atao am-pilaminana.
Azo sorohana ve ny tosi-drà avo mandritra ny vohoka?
Tsy misy fiarovana 100%, saingy afaka manampy ny :
-Fanaovana fitsirihana ara-pahasalamana tsy tapaka,
-Fanaraha-maso ny lanja,
-Fanatanjahan-tena maivana sy mifanaraka amin’ny vohoka,
-Sakafo voalanjalanja.




