Faritra Atsinanana : Nampitomboina ho 4 160 ha ny velaran-tany ho volena hazo amin’ity 2025-2026 ity
Ho an’ny taom-pambolen-kazo 2025–2026, nampitomboina ho 4 160 hektara ny velaran-tany hambolena hazo ao amin’ny Faritra Atsinanana. Mifandray indrindra amin’ny vinan’i Madagasikara amin’ny famerenana sy fandrakofana ala sy setrin’ny fahasimbany izany.
Fiaraha-miasa matanjaka ho amin’ny fambolen-kazo maharitra
Manoloana ny fihenan’ny toerana rakotra ala sy ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro, dia mitohy ny ezaka fanarenana ny tontolo iainana ao amin’ny Faritra Atsinanana. Amin’ity taom-pambolen-kazo 2025–2026 ity dia nampitomboana ny velaran-tany ho volena hazo, mariky ny fanamafisana ny ady amin’ny fandripahana ala sy ny fanimbana ny tany, izany.
Anisan’ny tena nandray anjara lehibe tamin’ity hetsika ity ny Orin’asa Canopy, izay nanome ny tany sy niantoka zana-kazo miisa 12 500 fototra. Marihina fa ity orinasa ity ihany koa no miantoka tanteraka ny fanarahamaso sy ny fikojakojana ireo zana-kazo, izay antoka iray lehibe amin’ny fahaveloman’ny fambolen-kazo. Efa an-taonany maro i Canopy no miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra eto amin’ny Faritra Atsinanana.
Karazan-kazo maro no novolena nandritra ny hetsika, toy ny Pongamia ho an’ny famokarana « biocarburant », Trema orientalis na andrarezina, Dodonaea madagascariensis na tsitoavina, Vernonia pectoralis na sakatavilotra manatsara ny tany, ary Liquidambar styraciflua. Nankasitrahina manokana ihany koa ny DREDD Atsinanana tamin’ny fandrindrana sy fikarakarana ny asa.
Fanamby lehibe ho an’ny faritra Atsinanana
Na eo aza ireo ezaka ireo, mbola miatrika fanamby goavana ny Faritra Atsinanana. Ny tavy, ny fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna, ny fitomboan’ny mponina ary ny fanitarana ny tany fambolena no anisan’ny antony lehibe mahatonga ny fandripahana ala. Ireo olana ireo dia miteraka fahapotehan’ny tany, tondradrano ary fahasimban’ny harena voajanahary. Ao anatin’izany indrindra no mampitombo lanja ny fambolen-kazo, ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fanohanana ny tanjon’i Madagasikara hamboly ala 4 tapitrisa hektara alohan’ny taona 2030.
Iny hetsika fambolenkazo tao amin’ny faritra Atsinanana iny dia porofo fa ny fiaraha-mientan’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ny vondrom-piarahamonina no lakilen’ny famerenana ny ala sy ny hoavin’ny taranaka.




