Tambin-karama CEPE sy BEPC : Tokony ara-potoana ny fandoavana azy amin’ity taona 2026 ity
Manoloana ny ahiahy momba ny fahataran’ny fandoavana, ny tambin-karaman’ireo mpampianatra mandray anjara amin’ny CEPE sy ny BEPC, nanome fanazavana ny Direction des Examens et de la Certification eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny mikasika ny amin’ity taona 2026 ity.
Efa vita ny fikirakirana ny antontan-taratasy
Isan-taona, miteraka fitarainana avy amin’ireo mpampianatra mandray anjara amin’ny fanaraha-maso sy fitsarana ny fanadinam-panjakana ny fahataran’ny fandoavana ny tambin-karama. Amin’ity taona 2026 ity anefa, nanamafy ny Direction des Examens et de la Certification (DEXAMC/MEN) fa efa vita tanteraka ny fikirakirana ara-taratasy rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena foibe.
Araka ny fanazavan’ny Talen’ny DEXAMC/MEN, Bazolimanjato Nivonjoelina, dia efa natolotra any amin’ny « Trésors » sy ny Fitantanam-bola ny antontan-taratasy rehetra mikasika ny fandoavana, izany. « Tokony tsy hisy fahatarana intsony, izany amin’ity taona 2026 ity », hoy izy. Mitohy any amin’ireo sampan-draharaha ireo amin’izao fotoana izao ny dingana manaraka, izay ahitana ny fanamarinana farany sy ny famoahana ny vola. Nambarany fa ezahina ny hanafaingana ny fizotry ny raharaha mba hahafahana mandoa ara-potoana ny tambin-karama, araka ny andrasan’ireo mpampianatra.
Mitohy araka ny rafitra mahazatra ny fandaminana ny fanadinana
Tsiahivin’ny DEXAMC/MEN fa tsy misy fiovana ny rafitra fandaminana ny fanadinam-panjakana raha oharina amin’ny taona lasa. Ho an’ny CEPE, ny DREN sy ny CISCO no miandraikitra mivantana ny fikarakarana sy ny lafiny ara-pitantanana, anisan’izany ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra voakasika eny anivon’ny faritra sy distrika. Ho an’ny BEPC kosa, eo ambany andraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena foibe tanteraka ny fandrindrana rehetra.
Raha tsiahivina dia ny talata 16 jona, no hanatanterahana ny fanadinana CEPE ary 6 hatramin’ny 9 jolay kosa ny fanadinana BEPC, manerana ny Nosy.




