• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Vaovao

Fanjifana : Hohamafisina ny fanaraha-maso ireo entana lany daty manerana ny Nosy

03/02/2026 16:28 © Moov

Nogiazana avy hatrany ireo entana lany daty rehetra, tratra manerana ny Nosy, teny amin’ireo mpivarotra maro. Nanoloana izany dia nanamafy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, androany, fa hohamafisina ny fanaraha-maso manerana ny Nosy.

Nahitana entana lany daty tamin’ny faritra maro

Herinandro maromaro izay no nanomboka nanao hetsika fanaraha-maso ny tsena, mba hahafahana miaro ny mpanjifa ny avy ao amin’ny Minisitera. Tao anatin’izany dia saika nahatrarana izany, avokoa manerana ny faritany maro. Isan’izany ny teto Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa, Taolagnaro ary Toliara. Natao avy hatrany ny fombafomba ara-panjakana rehetra ary nogiazana ireo entana lany daty ireo. Tsy maintsy miafara amin'ny fanapotehana ny entana izany, ankoatran'ny sazy ho an'ireo mpivarotra tsy manara-dalàna, hoy ny Minisitera.
Nanazava ny avy ao amin’ny Minisitera fa hampitomboana ny ezaka, hahafahana miaro ny mpanjifa, dia ny Malagasy rehetra izany. « Tanjon’ny asa sy ny ezaka izay ho atao rehetra dia hanala tanteraka ireny, entana lany daty, rehetra ireny eny anivon’ny tsena », hoy ny Tale jeneralin’ny varotra sy ny fanjifana, Gilchrist Rakotoson.

Andraikitry ny tsirairay

Manana anjara andraikitra amin’ny fiarovana ireto mpanjifa ireto avokoa ny mpisehatra rehetra tsy an-kanavaka. Nilaza araka izany ny Minisitera, fa manana anjara asa amin’izany ny mpandraharaha mpamokatra, ny mpamongady ary ny mpaninjara. « Mila samy mampahafantatra amin’ny fomba ofisialy ireo mpisehatra rehetra ireo, ny maha-azo antoka ny entany, mialoha ny fanaraha-maso sy ny fanagiazana », hoy hatrany ny fanazavana. Tsy anavahana izany, fa ny entana rehetra ao anatin’ny tsena. Isan’ny nogiazana farany teo mantsy izao, ohatra, ny bisky, sokolà amin'ny boaty, fromazy, vatomamy, paty, « mayonnaise », ranom-boankazo, sy ny « serviette hygiénique ». Nanamafy ny Tale Jeneraly fa tsy hisangy ireo mpanara-maso manomboka izao.
Etsy andaniny dia mbola hitohy ihany koa ny fitsirihana ireo fitaovam-pandanjana, ka izay nahazo alalana sy marina ihany no ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires