• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Maman Vogue
Image
Reny&Zaza

Mitaiza ny zaza voalohany : ireo fahadisoana 3 fanaon’ny ray aman-dreny

03/02/2026 15:41 © Moov.Mg

Traikefa sady mahafinaritra no somary mampitaintaina ho an’ny ray aman-dreny ny fitaizana ny zaza voalohany. Mahazo torohevitra maro isika, na avy amin’ny manodidina na eo amin’ny aterineto, ary te hanao ny tsara indrindra hatrany amin’ny fitaizana ny zaza. Misy fotoana nefa mety misy ihany ny lesoka ary ara-dalàna izany. Mba hahafahana miatrika tsara kokoa ny fitaizana sy hankafizana ny fotoana hiarahana amin’ny zaza dia ‘ndeha resahana eto ireo fahadisoana 3 fanaon’ny ray aman-dreny mitaiza ny zaza voalohany.

Fahadisoana fanaon’ny ray aman-dreny : te ho tonga lafatra

Maro amin’ny ray aman-dreny mitaiza ny zaza voalohany no mametraka « pression » mafy amin’ny tenany mba hanao ny zava-drehetra « araka ny tokony ho izy ». Tsy misy nefa ny fahalavorariana amin’ny fitaizana zaza. Samy hafa ny zaza tsirairay, ary anisan’ny fianarana ny fanaovana hadisoana. Tsara kokoa ho an’ny zaza ny ray aman-dreny miezaka sy tia, noho ny ray aman-dreny reraka sy voageja amin’ny fikendrena ny tonga lafatra.

Mampitaha ny zanany amin’ny zaza hafa

Isan’ny fahadisoana fanaon’ny ray aman-dreny maro amin’ny fitaizana ny zanaka voalohany ny fampitahana ity farany amin’ny zaza hafa. Lanja, torimaso, fitenenana voalohany, fandehanana… maro ireo zavatra tsy mampatoky tena ny ray aman-dreny manoloana ny fitomboana sy fivoaran’ny zaza ka mahatonga azy hampitaha amin’ny zaza hafa. Mety vao maika miteraka ahiahy ny fanaovana izany. Samy manana ny toe-batany sy ny fivoarany ny zaza tsirairay ary ara-dalàna ny fahasamihafana amin’ny ankamaroan’ny tranga.

Mihaino loatra ireo torohevitra etsy sy eroa

Havana, namana, tambajotra sosialy, aterineto… samy manana ny heviny ny olona rehetra mikasika ny fitaizana. Mety misy ireo hevitra na torohevitra mitovy, nefa misy ihany koa ireo mifanipaka tanteraka. Indraindray moa dia tsy fantatra intsony izay no tokony inoana. Zava-dehibe ny mihaino loharano azo itokisana, toy ny mpitsabo, mikasika ny fitaizana ny zaza, indrindra amin’ny resaka fahasalamana. Ilaina ihany koa ny manaraka ny fahatsapana ao anaty, satria ianao no mahalala ny zanakao mihoatra ny olona rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires