• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Consoglobe
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanombanana ny toe-pahasalamana amin’ny alalan’ny aterineto : tandremo !

02/02/2026 13:41 © Moov.Mg

Lasa zary fahazarana ho an’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny ny mikaroka sy manontany ireo zavatra rehetra manitikitika ny saina eo amin’ny aterineto, indrindra ny mikasika ny aretina sy ny toe-pahasalamana. Ho an’ny sasany moa dia entina hanaovana fanombanana ny toe-pahasalamana, soritr’aretina… mihintsy ireo « informations » sy hevitra samihafa hita. Mila fitandremana nefa ny fanaovana izany satria mety hitarika tebiteby amin’ny tsy antony sy hitera-doza mihintsy aza.

Aterineto sy tambajotra dia mampitombo ny ahiahy mikasika ny toe-pahasalamana

Samy afaka maneho ny heviny avokoa ny olona rehetra eo amin’ny aterineto, indrindra eo amin’ny tambajotra sosialy. Misy ireo « sites » mampahafantatra ny mikasika ny aretina, ao ihany koa ireo karazana « forums » ahitana ireo olona mitantara ny momba ny aretina sy soritr’aretina nahazo azy.
Matetika ireo olona mizara ny traikefany manokana dia voabaikon’ny fihetseham-pony ka lasa manitatra ny tena toe-javatra ara-pahasalamana tena nisy. Raha tsy mahay mandanjalanja ireo « informations » ireo dia lasa hanao fanombanana ny toe-pahasalamana amin’ny alalan’izy ireny, ary matetika izany dia mitarika tebiteby sy fanahiana tsy amin’ny antony.
Eo amin’ny « Facebook », ohatra dia :
-ny tantara faran’izay mafy no tena hita,
-ny toe-javatra mampatahotra no mahazo fanehoan-kevitra betsaka,
-takon’ireo fehezanteny manaitra ny fanazavana ara-pitsaboana.
Ny saintsika indray avy eo no manohy: manitatra, ary mieritreritra avy hatrany ny ratsy indrindra.

Ireo fandriky ny fanombanana ny toe-pahasalamana amin’ny alalan’ny aterineto

Matetika dia mifototra amin’ny fanatsoahan-kevitra diso ny fanombanana ny toe-pahasalamana amin’ny alalan’ny aterineto :
-Fampitahana tena amin’ny amin’ny soritr’aretin’ny hafa. Olona roa mety hanana soritr’aretina mitovy, nefa antony samy hafa tanteraka ;
-Finoana be loatra ny fijoroana vavolombelona. Ny hoe “izaho nanana an’io, ary mafy ilay izy” dia tsy midika fa ho toy izany koa ny an’ny tena ;
-Famakiana hevitra maro mifanipaka. Arakaraka ny hamakiana no vao mainka mampisafotofoto ny saina sy mampiahiahy ;
-Fanadinoana ny toe-pahasalamana manokana. Ny taona, ny tantaram-pahasalamana, ary ny fomba fiaina dia tena misy fiantraikany amin’ny fandikana soritr’aretina.

Ahoana no atao hahazoana fanazavana tsy mampitaintaina ?

Raha maniry ny hahafantatra mikasika ny aretina na soritr’aretina eo amin’ny aterineto izay tsy hampiteraka fitaintainana na fanahiana dia misy ireo torohevitra tsara ampiharina :
-Loharanom-baovao na loharanon-dahatsoratra azo itokisana no vakiana. Tsara raha tranonkala ofisialy, hopitaly, na fikambanana ara-pahasalamana no safidiana. Tandremana tsara ireo vondrona tsy misy fanaraha-maso ara-pitsaboana ao amin’ny Facebook.
-Maka saina tsara manoloana ireo tantara zaraina na fijoroana vavolombelona. Sady tsy antontan’isa no tsy fandikana soritr’aretina ny traikefa manokana.
-Raha misy soritr’aretina eo amin’ny tena dia jerena aloha ny hatetik’izany vao ny hamafiny. Tena misy ny aretina mafy na sarotra, saingy matetika izy ireny dia tsy fahita fry.
-Arahana ny fivoaran’ny soritr’aretina. Ny faharetany, ny hamafiny sy ny fiverimberiny no zava-dehibe kokoa noho ny famaritana tokana.

Tsy afaka manolo ny mpitsabo ny aterineto

Tsy afaka manolo velively ny mpitsabo ny aterineto. Raha misy soritr’aretina na aretina mampiahiahy dia ny fanantonana mpiasan’ny fahasalamana irery ihany no vahaolana azo antoka. Ny mpiasan’ny fahasalamana dia :
-Mandinika ny toe-pahasalamana manontolon’ny marary ;
-Mametraka fanontaniana mifanaraka amin’ny tantaram-pahasalamana sy ny soritr’aretina misy ;
-Mandanjalanja ny « risques » teny misy ;
-Manatanteraka ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana sy fitsaboana ilaina.

Lire la suite

Articles Similaires