Ahiahy tondradrano : Filazana miloko mena ho an’ny Kaominina miisa 5 manamorona ny fefilohan’i Sisaony
Nampahafantatra ny APIPA, androany 1 febroary, tamin’ny 8 ora maraina, fa manambana ho vaky ny fefilohan’i Sisaony, morony havanana, any Ampahitrosy. Kaominina miisa 5 araka izany no nahazo filazana miloko mena (loza mitatao).
Ahiana hisy tondradrano
Ny andro ratsy sy ny fahabetsahan’ny orana izay nisesy, noho ny fandalovan’ilay rivodoza Fytia, no anton’izany filazana izany. Ahiana mantsy ny hisian’ny tondradrano, raha io filazan’ny APIPA io. Tafiditra ao anatin’ny efa tokony miomana amin’izany ny Kaominina Ampahitrosy, Soalandy Ankadivoribe, Ampanefy, Soavina ary Anosizato Andrefana.
Etsy andaniny, dia efa manentana sahady ny avy ao amin’ny APIPA sy ny tomponandraikitra, ny amin’ny fanarahana ny fepetra rehetra izay hapetraka. Eo ihany koa ny fiomanana sahady amin’ny famindrana toerana raha misy izany sy ny fitandremana, amin’ny mety ho loza rehetra.
Niakatra avokoa ny haavon’ny rano eny amin’ny mari-pandrefesana
Ahitana fandrefesana ny haavon’ny rano maro, ato anatin’ny lemak’Antananarivo. Nahitana fiakarana avokoa ny rano, isaky ny toerana nojerena, tao anatin’ny 24 ora, raha ny tatitra. Ho an’ny reniranon 'i Sisaony dia 1,80 m ny haavony eo amin'ny mari-drefin' Andramasina. Niakatra 0,40 m ny rano tao anatin'ny 24 ora. 1,78 m kosa eo amin'ny mari-drefin' Ampitatafika. Niakatra 0,43 m ny rano tao anatin'ny 24 ora ary mbola hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. Marihina fa 3,00 m ny refy fampitandremana mavo (loza manambana) eo Ampitatafika.
Ho an’ny reniranon Ikopa kosa dia 2,40 m ny haavony eo amin'ny mari-drefin' Ambohimanambola. Niakatra 0,56 m ny rano tao anatin'ny 24 ora ary mbola hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. Mirefy 3,50 m ny fampitandremana mavo (loza manambana) eo Ambohimanambola. Mirefy 3,11 m kosa izy eo amin'ny mari-drefin'i Bevomanga. Niakatra 0,50 m ny rano tao anatin'ny 24 ora.
Raha ho an’ny reniranon'i Mamba kosa dia 2,11 m ny haavony eo amin'ny mari-drefin' Ambohidroa. Niakatra 0,55 m ny rano tao anatin'ny 24 ora. Miankina amin’ny toetrandro kosa ny mety ho fivoarany saingy, entanina hatrany ny rehetra ho mailo. Voasokajy manokana amin’izany ireo eny amin’ny faritra iva.


