• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo Madagascar
Image
Vaovao

Rivo-doza Fytia : Hamakivaky ny faritry ny afovoan-tany

31/01/2026 07:10 © Moov.Mg

Efa tafiditra an-tanety androany tamin'ny 4 ora sy sasany maraina, tany amin'ny Distrikan'i Soalala, ilay rivo-doza Fytia. Hamakivaky ny faritry ny afovoan-tany izy, raha ny vinavinan'ny mpamantatra ny toetry ny andro, ary hivoaka an-dranomasina rahampitso.

Mitondra rotsak'orana betsaka

Niditra an-tanety tany amin’ny Distrikan’i Soalala, Faritra Boeny, ilay rivo-doza Fytia, androany sabotsy 31 janoary 2026 tamin’ny 04 ora sy sasany maraina, araka ny fampitam-baovaon'ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara. Manodidina ny 150 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 210 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo somary atsimo atsinanana izy ka nahafaka 18 Km/ora.

Vokatr'izany dia miaina ao anaty orana mikija tanteraka ny faritra Boeny, ny tapany avaratr’i Melaky ary ny ilany andrefan’i Betsiboka. Raha ny vinavinan'ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro dia hamakivaky ny faritry ny afovoan-tany ity rivodoza ity, ka hitondra rotsak'orana betsaka amin'ny Faritra maro, izay mety hahatratra 50 hatramin’ny 150 mm/24 ora.

Filazana fanairana ho an'ny afovoan-tany

Tahaka izao ireo filazana loza voaray, ho an'ny androany tamin'ny 5 ora maraina :

Loza mitatao miloko mena : Boeny, Melaky, ny Distrikan’i Kandreho sy Maevantanana ;

Loza manambana miloko mavo : Bongolava, ny Distrikan’Ankazobe, Anjozorobe ary Tsaratanana ;

Fanairana miloko maitso : Itasy, Alaotra Mangoro, ny Distrikan’Ambatolampy, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana, Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano ary Antananarivo Avaradrano.

Mampitandrina ny eo anivon'ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro sy ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC), fa ahiana mafy ny tondra-drano, ny fiakaran’ny renirano ary ny fihotsahan’ny tany sy ny lalana ka mila mailo ny rehetra manoloana izany. Ireo mpampiasa ranomasina eo anelanelan’Analalava sy Maintirano moa dia entanina mba tsy hiandriaka mandrapahalasan'ny loza tanteraka. Toy izany ihany koa ny eo anelanelan’i Fenoarivo Atsinanana sy Mananjary, manomboka anio tolakandro.

Nisy fiomanana mialoha

Araka ny tombana, avy amin'ny ATLAS DES RISQUES v2, niainga avy tamin'ireo vinavinan'ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara, dia olona manodidina ny 157 493 isa no mety ho tra-boina vokary ny fandalovan'ny rivo-doza Fytia, izany hoe : tokantrano manodidina ny 40 812. Trano manodidina ny 41 784 kosa no ahiana ho dibo-drano ary 6 168 no ahiana ho rava.

Efa nisy kosa ny fiomanana nataon'ny tany amin'ny Faritra Boeny, raha ny nambaran'ny tale jeneraly lefitry ny BNGRC, Razafimandimby John Heriniandry. Isan'izany ny famindran-toerana mialoha ireo mponina mipetraka amin'ny toerana marefo. Efa vonona mialoha ihany koa ny fandraisana an-tanana rehetra, araka ny drafitra efa nomanina mialohan'ny fotoanan'ny loza, izay havaozina isan-taona.

Tombanana hivoaka any an-dranomasina rahampitso alahady 1 febroary maraina, any amin’ny faritra Atsinanana ny rivo-doza Fytia.

Lire la suite

Articles Similaires