Rivo-doza Fytia : Tombanana hiditra eo anelanelan’i Maintirano sy Mahajanga rahampitso maraina
Efa feno ny fepetra maha-rivo-doza an'ilay andro ratsy niforona tao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Nomena ny anarana hoe : Fytia izy, ary vinavinain'ny mpamantatra ny toetry ny andro hiditra eto Madagasikara rahampitso maraina.
Fytia, mety hahazo tanjaka rivodoza mahery
Androany 30 janoary 2025 tamin’ny 03 ora maraina dia tany amin’ny manodidina ny 262 Km avaratra andrefan’ny Distrikan’i Besalampy, Faritra Melaky, no nisy ny foiben'i Fytia, raha ny nambaran'ny avy eo anivon'ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara. Tafakatra ho 70 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 100 Km/ora manakaiky ny foibeny. Raha ny fizotrany indray dia mikisaka miatsinanana somary atsimo atsinanana izy, ka mahafaka 6 Km/ora. Raha izao fizotrany izao, dia vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Maintirano sy Mahajanga i Fytia rahampitso marainan’ny sabotsy 31 janoary 2026, ka mety hahatratra ny tanjaka rivodoza mahery, na « cyclone tropical », araka ny fampitandremana avy amin’ireo teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro.
Mbola hitohy ny rotsak’orana
Raha ny vaovao ôfisialy farany navoakan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara aloha, dia mbola tsy misy ny filazana miloko mena, momba ny fisian’ity rivo-doza ity. Nahazo filazana loza manambana miloko mavo kosa ny Faritra Boeny sy Melaky ary filazana fanairana miloko maitso ho an’ny Faritra Betsiboka, ny Distrikan’i Fenoarivobe, Ankazobe ary Anjozorobe.
Etsy an-daniny, mbola hisesy ny rotsak’orana, amin’ny ankapobeny, ary Faritra maro eto Madagasikara no vinavinaina fa hiaina anaty oram-baratra, mandritra ity faran’ny herinandro ity. Manentana ny ehetra ho maily, noho izany, ny mpamantatra ny toetry ny andro. Ankoatra izay, tsy tokony hiandriaka intsony pampiasa ranomasina eo anelanelan’i Analalava sy Maintirano, noho ny toetr’andro miharatsy.


