Zaza voan'ny sery lava : Tandremana sao mandomando ny trano honenanana
Tsy afa-bela amin'ny fiantraikan'ny trano mandomando ny zaza, ankizy sy olona marefo, indrindra amin'izao vanimpotoan'ny fahavaratra izao.
Rehefa miverimberina matetika any amin'ny mpitsabo ny ray aman-dreny, noho ny zaza tsy mety afa-delo na semposempotra lava, tsy maintsy mipetraka ny fanontaniana mikasika ny trano honenana.
Trano azon'andro tsara
Tsy mora tokoa ny manolotra trano fonenanana mahasalama ho an'ny ankohonanana. Lenan'ny orana moa ny fototry trano sy ny rindrina ka voa mainka toa mampihiboka ny ao an-trano. Ho fitsinjovana ny fahasalamana, trano azon'ny masoandro no hipetrahana : mila mieritreritra ny hifindra raha toa ka takon'ny tranobe hafa manodidina ny trano honenanana. Mazava ho azy, tsy mahasoa ny trano hidiran'ny orana, izany hoe dibo-drano ny gorodona hitsahina na efa misy faritra mando mivari-mainty na mangana ny rindrina.
Miteraka aretin'ny taovam-pisefoana ny fiainana anatina toerana mandomando. Miteraka bakteria isan-karazany ny hamandoana miaro loto, ka mamparefo ny zaza sy ny olona marefo : lasa mora voan'ny sery sy gripa. Mety ho voan'ny "bronchiolite" na lasa "asthmatique" mihitsy. Tsy vitan'izany ihany fa mety hipoitra ireo karazana "allergie", indrindra izay mamely ny maso sy ny tenda.
Fikojakojana ny trano
Na azon'andro tsara aza ny trano, tsy mitondra soa izany raha tsy avela hiditra ny masoandro mandritra ny tontolo andro : vohaina ireo varavarankely mba tsy hitazona hamandoana ny trano. Raha toa ka tsy maintsy mihidy avokoa ny varavarana sy varavarankely mandritra ny tontolo andro, tsara sokafana vao maraimbe sy amin'ny hariva izany.
Tsara raha diovina tsara hatrany ny trano : akisaka mihitsy ireo fanaka lehibe isaky ny faran'ny herinandro. Amporisihana ny tsy hitehirizana ny fako sy ireo entana rehetra efa tsy ampiasaina intsony. Tsara ny manamarika fa tsy zakan'ny zaza sy ny olona marefo ny ody moka dorana sy ireo karazana hanitra fanao ao an-trano. Fidiana tsara araka izany ny savony sy ny karazana akora fanadiovana ampiasaina.


