Laharana biômetrika : Tsy marika ara-pivavahana sady tsy famantarana miafina, hoy ny kly Randrianirina Michaël
Misokatra ôfisialy androany 27 janoary 2026 ny fisoratana anarana biômetrika eto Madagasikara. Nahazo izany laharana izany voalohany ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kôlônely Randrianirina Michaël. Voakasik’ity tetikasa ity avokoa ireo olom-pirenena 18 taona no ho miakatra manerana an’i Madagasikara.
Fisoratana anarana biômetrika ho an’ny Malagasy rehetra
Rehefa misoratra anarana biômetrika ny olom-pirenena 18 taona no ho mihoatra dia mahazo laharana biômetrika azy manokana, tsy ikambanana na amin’iza na amin’iza. Soratana amin’izany ireo mombamomba ilay olona toy ny mahazatra : anarana sy fanampiny, adiresy, daty nahaterahana, sns. Ho fanampin’izay dia misy ihany koa ny fakana ireo singa manokana, na ny angona biômetrika : ny sarin’ny ati-maso, ny toetry ny endrika sy ny lavotondro folo. Tanjona amin’ity tetikasa ity ny handraketana ireo olom pirenena malagasy rehetra, mba ahafantarana ny momba azy. Rehefa vita ny fangalana izany rehetra izany dia mahazo tapakila (coupon) misy ny laharana famantarana manokana (Numéro Unique d’Identification – NUI) ilay olona. Azo ampiasaina amin’ny sampan-draharam-panjakana rehetra mitaky ny mombamomba ny olom-pirenena io laharana manokana mampiavaka ny tsirairay io avy eo.
Ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, sy ireo mpanolo-tsaina avon’ny Fanavaozana, ary ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta no nisitraka voalohany ity tetikasa biômetrika ity, izay natomboka tamin’ny fomba ôfisialy androany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanentana ny Malagasy rehetra mba hiroso amin’ny fanatanterahana ny fisoratana anarana biômetrika an-tsitrapo sy am-pahatokisana ny filohan’ny Fanavaozana.
Antontan-kevitra nasiônaly ôfisialy
Misy, hoy izy, ireo miahiahy, satria marobe ireo tsaho mandeha momba ny tena antony hanatanterahana ny fisoratana anarana biômetrika, toy ny hoe : misy ifandraisany amin’ny mariky ny bibidia, izay voaresaka ao anatin’ny Baiboly, izy io. « Tsy marika ara-pivavahana, tsy famantarana miafina ary tsy fitaovana hanandevozana olona ny laharana famantarana tokana fa laharan’ny olom-pirenena ara-panjakana, tahaka ny laharan’ny karapanondrom-pirenena, ny laharan'ny kôpia nahaterahana, na laharan’ny pasipaoro. Natao hiarovana ny olom-pirenena izy io fa tsy entina hanimba na hanaraha-maso», hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël. Notsiahiviny ihany koa fa tomponandrikitra amin’ny fiarovana ny tsiambaratelon’ny olom-pirenena ny fitondram-panjakana.
Nanamafy ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray, fa zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena ity tetikasa firosoana amin’ny fiksoratana anarana biômetrika ity. « Ny fananana antontan-kevitra marina sy azo itokisana no fototra ijoroan’ny Fanjakana tsara tantana », araka ny nambarany, satria manamafy ny angon-drakitra momba ny fiiziana, amin’ny alalan’ny teknôlôjia vaovao, izay manome antoka sy fiarovana manoloana ny fisalasalana na ny hosoka. Nambarany rahateo fa ny angon-drakitra azo avy amin’ny fisoratana anarana biômetrika no hampiasaina ho antontan-kevitra nasiônaly ôfisialy, mirakitra ny momba ny olompirenena. « Izany no ho fototra hananganana sy amolavolana ireo pôlitikam-panjakana, ary hanatsarana ny fitantanana-draharaham-panjakana sy ny fiainan’ny mponina », hoy ny minisitra.
Hitohy any amin’ny Distrikan’Atsimondrana, izay natao ho Distrika Filamatra, ny fanatanterahana ny andrana amin’ny fisoratana anarana biômetrika. Hitohy hatramin’ny 24 febroary izany, ho an’Atsimondrano, ary hanomboka ny 3 aprily hatramin’ny faran’ny volana jona kosa ny fisoratana anarana biômetrika manerana ny Nosy. Ny Banky iraisam-pirenena no manohana ara-teknika sy ara-bola izao tetikasa izao.


