• Cours de change
  • 5219.46 AR
  • |
  • $4516.51 AR
Copyright Image : © Ortnb
Image
Vaovao

Nosy Tanihely : Mampidi-bola, manampy amin’ny fanorenana fotodrafitrasa any Nosy Be

21/01/2026 15:26 © Moov.Mg

Ao anatin’ny fandinihana ireo fandaharanasa azo tanterahina, amin’ny alalan’ny vola ampidirin’ny valan-javaboahary Nosy Tanihely, ny filàn-kevi-pitantanan’ity faritra arovana ity amin’izao fotoana izao. Isan’ny manampy amin’ny fampivoarana ny fotodrafitrasa ao an-drenivohitr’i Nosy be tokoa mantsy ity toeram-pizahantany ity.

Manankarena karazanjavamananaina

Any amin’ny 8,5 km any atsimon’i Nosy Be, Faritra DIANA, no misy ny Nosy Tanihely. 340 ha no totalin’ny velaran-taniny, izay azo lazaina ho kely, araka ny anarany rahateo, nefa tena manankarena karazanjavamananaina (biodiversité), na an-tanety na an-dranomasina. Araka izany, manintona mpizahatany marobe isan-taona i Nosy Tanihely, na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany. Ireo liana amin’ny fitsidihana ny ati-rano no tena mankafy ny Nosy Tanihely, fa eo ihany koa ireo te hanararaotra ny hakanton’ny moron-tsiraka. Ankoatra ireo hazan-dranomasina maro karazana, dia ahitana biby tsy fahita firy ihany koa ao an-toerana, toy ny varika, izay misy karazany 2, ny vorona izay misy karazany 19, ny soka-dranomasina izay misy karazany 2, ny trondro moa dia misy karazany 154 isa.

Ny Madagascar National Parks, ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be ary ny Kaominina ambinivohitr’i Nosy Be, no mifandrimbona amin’ny fitantanana ny nosy Tany Hely.

Fandaharan’asa ho fampandrosoana an’i Nosy Be

Fotodrafitrasa maro no efa naoriana tany aloha, avy amin’ny vola nampidirin’ny valan-javaboahary Nosy Tanihely. Isan’izany ny biraon’ny Fokontany Ambodivoanio ; ny fametrahana jiro manazava ny tanàna, izay mandeha amin’ny herin’ny masoandro ; ny fanamboarana lalana ao an-drenivohitr’i Nosy Be… Amin’ity taona ity dia isan’ny tafiditra ao anatin’ny vinavina ny hamindrana toerana ireo mpivarotra amoron-dalana, fa mbola eo am-pandinihana ny fandaharan’asa azo tanterahina, ho fampandrosoana an’i Nosy Be Renivohitra, ny filàn-kevi-pitantanan’ny valan-javaboahary Nosy Tanihely.

Nanamafy ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitr’i Nosy be, Aly Aboudou, fa maro ny tombontsoa azo avy amin’ny Nosy Tanihely. Ny faritra arovana an-dranomasina dia ahitana karazana hazan-dranomasina marobe ao anatiny, izay misarika mpizahatany marobe ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires