• Cours de change
  • 5219.46 AR
  • |
  • $4516.51 AR
Copyright Image : © Infocop
Image
Fahasalamana&Sakafo

Havizanana maharitra : ireo antony mety mahatonga izany

21/01/2026 14:03 © Moov.Mg

Ara-dalàna ny fahasatapana reraka rehefa tsy ampy torimaso na rehefa amin’ny fotoana be rotoroto. Raha toa ka maharitra herinandro maro, na volana maro, ny havizanana ary tsy mihena na dia efa maka aina aza, dia mety ho fambara mampiahiahy izany. Matetika atao tsirambina ny havizanana maharitra, nefa mety misy antony lalina sy tsy dia fantatra izay mila fandraisana an-tanana ao ambadik’izany.

Tsy fahampian-tsakafo sy otrikaina

Misy tsy fahampian-tsakafo sy otrikaina tsy miseho avy hatrany. Ny tsy fahampian’ny vy, vitamina B12, « magnésium », na vitamina D dia mety hiteraka havizanana lalina nefa tsy misy soritr’aretina mazava. Ny olona be rarintsaina, mifady hena ka tsy mahay mandanjalanja ny sakafony, vehivavy na ireo tsy olona matetika tsy hazon’andro matetika no tena voakasik’izany. Zava-dehibe ny sakafo voalanjalanja sy isan-karazany mba hahazoan’ny vatana ny otrikaina sy mineraly ilaina.

Rarintsaina maharitra sy faharerahana ara-tsaina

Tsy mitovy amin’ny rarintsaina mandalony rarintsaina maharitra. Ity farany dia sady mandany hery betsaka kokoa no manakorontana lafin-javatra maro ao amin’ny vatana, toy ny torimaso, ny hormonina sy ny hery fiarovana. Raha izany no mitranga dia lasa mahatsiaro rera-dava ilay olona, eny na dia avy natory tsara aza. Ny olana moa dia maro ny olona tsy mahatsapa tena ho tratry ny rarintsaina nefa ny vatany dia miaritra « pression » lalandava avy amin’ny asa, ny andraikitra samihafa ao amin’ny ankohonana, ny adin-tsaina…

Torimaso ratsy kalitao

Tsy hoe rehefa ampy ny fotoana natoriana dia izay no atao hoe torimaso tsara kalitao na hoe torimaso lalina. Ny fifohazana matetika mandritra ny alina, ny fampiasana « écran » alohan’ny hatory, ny efitrano mazava loatra na ny fiovaovan’ny ora fatoriana dia mety haharatsy ny kalitaon’ny torimaso. Eo ihany koa ireo « pathologies » sasany, toy ny « apnée du sommeil » tsy tsikaritra, indrindra eo amin’ny olona tsy mierotra na tsy tonga saina hoe tapa-tory amin’ny alina.

Fikorontanan’ny hormonina

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fandrindrana ny herin’ny vatana ny « thyroïde ». Raha miadana loatra ny fiasany dia mety hitarika havizanana lalina, miaraka amin’ny fitomboan-danja, fahatsapana mangatsia-dava na fahakivikiviana. Eo amin’ny vehivavy moa dia avy amin’ny fitsingerenan’ny fadim-bolana, ny vohoka na ny « pré-ménopause » no tena mitranga io fikorontanan’ny hormonina izay mahatonga havizanana maharitra io.

Lire la suite

Articles Similaires