Fifamoivoizana : Nametrahana baka faharoa eo amin’ny reniranon’Ifasy
Hamoraina hatrany ny fifamoivoizana eo amin’ny reniranon’Ifasy ka nampiana baka iray hafa ny baka efa niasa teo. Efa any an-toerana io fitaovana io ary hiasa andro aman’alina.
Hampihenana ny fitohanana
Raha tsiahivina dia ny rivo-doza Gamane, izay niseho ny taona 2024 no nanimba ity tetezana eo Ifasy ity. Izy io anefa dia isan’ny fotodrafitrasa be mpampiasa eny amin’ny lalam-pirenena fahenina ka rehefa betsaka ny fiara mandeha dia misy hatrany ny fitohanana. Efa nanomboka tamin’ny taona lasa teo no nisy baka niasa teo amin’io renirano io fa noho izay fahamaroan’ny mpampiasa azy izay dia nampiana iray izany baka izany. Napetraka io Baka faharoa io mba hiara-miasa amin’ilay Baka efa nisy, ary nohitarina ny ora fiasan’izy ireo. Marihina moa fa efa tonga eny ifotony izy io ary miasa andro aman’alina ny orinasa mpanatanteraka. Afaka andro vitsy, aorian’ny pitsopitsony, dia ho afaka hiasa tanteraka izy io.
Ireo Baka roa ireo dia miara-miasa mba hampihenana ny fitohanana amin’ny fiampitana ny reniranon’i Ifasy, ho an’ny fiara madinika sy fiara lehibe, hoy ny Minisiteran’ny asa vaventy. Mahazaka hatramin’ny 25 taonina izy ireo, raha tsiahivina.
Maimaimpoana ny fiampitana
Mijanona ho maimaimpoana hatrany ny fiampitana amin’ireo baka ireo satria dia ny Fitondrana no miantoka ny lany rehetra. Izany moa no natao mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mpivezivezy eo, indrindra ireo mpandraharaha sy ireo mpitondra entana.
Ankoatra ny fanampiana isa io baka io anefa dia nametrahana jiro manazava ihany koa ireo fitaovana ireo ho amin’ny fiampitana rehefa hariva. Tany an-toerana ny Tale Jeneralin' ny Minisiteran' ny Asa Vaventy, Rafefimanana Sambilason Richard, nampahafantatra sy nanara-maso ny fanatanterahana ny asa.
Marihina fa vahaolana vonjimaika ihany ireto napetraka ireto fa ny fanorenana tetezana mafy kosa dia efa eo am-panatanterahana, ho vahaolana maharitra. Ity farany ity dia ny famerenana amin’ny laoniny ny tetezana, na ity eo Ifasy ity na ny eo amin’ny reniranon’i Mahavavy, izay samy simba noho ny rivodoza Gamane, ihany koa.


