• Cours de change
  • 5233.93 AR
  • |
  • $4534 AR
Copyright Image : © Méteo Madagascar
Image
Vaovao

Rivo-doza ao atsimon’ny lakandranon’i Mozambika : Vinavinaina hiditra any Toliara rahampitso maraina

20/01/2026 13:59 © Moov.Mg

Mitombo hery hatrany ilay andro ratsy ao atsimon’ny lakandranon’i Mozambika, ka efa voasokajy ho « dépression tropicale » izy, androany tamin’ny 9 ora maraina. Vinavinaina hivadika ho lasa rivo-doza izy io, anio alina, ka mety hiditra any atsimon’i Madagasikara.

Hiditra an-tanety rahampitso maraina

Araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara, dia misy tangoron’oram-baratra, na faritra andro ratsy, miforona ao atsimon’ny lakandranon’i Mozambika. Tao anatin’ny 6 ora farany dia mikisaka miatsinanana, somary atsimo atsinanana izy, ary somary mandeha haingana ihany satria mahaafaka hatrany amin’ny 18 Km/ora. Efa tonga eo amin’ny sokajy « dépression tropicale » izy, androany 20 janoary 2026, tamin’ny 9 ora maraina. Manodidina ny 55 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra manodidina ny 75 km/ora manakaiky ny foibeny. Tamin’io androany maraina io, dia tany amin’ny 702 km, any andrefan’Itampolo, Distrikan’i Ampanihy, no nisy ny foibeny.

Araka ny antotan-kevitra eo am-pelatanan’ireo teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro dia mihatomombana hatrany ny tontolo ivoaran’ity andro ratsy ity. Raha ny vinavina dia hitombo hery hatrany izy ary heverina ho lasa rivo-doza anio alina. Ao anatin’ny 36 ora manaraka dia tombanana hikisaka hiatsinanana hatrany izy, amin’ny ankapobeny, ka vinavinaina hipaka an-tanety any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, eo anelanelan’i Anakao, Distrikan’i Toliara II sy Androka, Distrikan’i Ampanihy, rahampitso maraina.

Loza manambana ho an’ny tapany Atsimo

Noho ity andro ratsy ity dia mahazo filazana loza manambana, miloko mavo, ny Distrikan’i Toliara I sy II, Betioky Atsimo, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe. Ahiana ho voakasiky ny tafio-drivotra ireo Distrika manamorona ny moron-tsiraka, ka mety hahatratra 70 hatramin’ny 80 km isan’ora izany tafio-drivotra izany any an-dranomasina, fa hihena rehefa miditra an-tanety ny andro ratsy. Ahiana ihany koa ny fahabetsahan’ny rotsak’orana, any amin’ireo Distrika maro any Atsimon’ny Nosy, indrindra ireo izay manamorona ny moron-tsiraka. Mety hiteraka ranon-trambo sy fiakaran’ny renirano izany.

Manentana ny fahamailoan’ireo mponina any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny ny mpamantatra ny toetry ny andro, fa indrindra, manentana ireo mpampiasa ranomasina sy mpanjono mba tsy hiandriaka intsony, manomboka any Morombe, Taolagnaro, hatrany Morondava.

Lire la suite

Articles Similaires