Tasy amin’ny tarehy vokatry ny sigara : ahoana ny atao hanalana azy ireny ?
Tsy ny avokavoka ihany no simbain’ny sigara, misy fiantraikany ratsy eo amin’ny hoditra ihany koa izy ireny. Anisan’ireo vokadratsin’ny sigara eo amin’ny hoditra fahita ny fisian’ny tasy matroka eo amin’ny tarehy. Mba hampitoniana ireny tasy ireny sy hampiverina ny fahadiovan’ny hodi-tava dia misy ireo fihetsika sy fikarakarana tsara ampiharina.
Inona no mahatonga ny sigara mampisy tasy matroka eo amin’ny tarehy ?
Ny setro-tsigara dia mitahiry singa « toxiques » aman’aliny izay manimba mivantana ny hoditra, indrindra ny hodi-tava. Ireo singa ireo dia :
-Mampihena ny « oxygénation » an’ireo selan’ny hoditra ;
-Mampitombo ny « stress oxydatif » izay manimba ireo selan’ny hoditra sy manafaingana ny fahanteran’ity farany ;
-Manakorotana ny famokarana « mélanine » izay tompon’antoka amin’ny fanomezana loko ny hoditra.
Vokatr’izany dia lasa vasoka ny hodi-tava, lasa misy tasy matroka mipoitra eo aminy, indrindra eo amin’ny faritra manodidina ny molotra sy ny takolaka.
Ireo fomba manampy hampitoniana sy hanesorana ireo tasy vokatry ny sigara
Anisan’ireo fomba manampy hampitoniana sy hanalana ireo tasy matroka eo amin’ny tarehy vokatry ny sigara ny :
Fialana sigara
Io no dingana voalohany sy lehibe hampisindana sy hanalana ireo tasy matroka amin’ny hodi-tava. Tsy misy fikarakarana afaka ny handaitra tanteraka raha mbola manohy mifoka sigara foana ilay olona. Ny fialana sigara dia mamela ny hoditra hihavao malaky kokoa, ho tsara kokoa ny fikorian’ny rà ao aminy, hihena ny fipoitran’ny tasy vaovao.
Fiarovana ny hoditra amin’ny taratry ny masoandro
Ny taratry ny masoandro dia mampihombo ny tasy matroka eo amin’ny tarehy, indrindra ho an’ny hoditra efa marefon’ny sigara. Mba hampitoniana ireo tasy ireo ary dia ilaina ny manosotra « crème solaire » isan’andro, eny na dia ririnina aza. Manao satroka hatrany rehefa mivoaka ny trano mba hiarovana ny tarehy.
Fanaovana « soins éclaircissants »
Misy amin’ireo « actifs » hita ao anatin’ireo vokatra fikarakarana hoditra no tena mandaitra amin’ny fampitoniana ireo tasy matroka amin’ny tarehy vokatry ny sigara. Anisan’ireo « actifs » ireo ny vitamina C izay mampazava ny hodi-tava ary mampihena ireo tasy. Ao ihany koa ny « niacinamide » izay mampitovy tantana ny lokon’ny hodi-tava ary mampitony ny « inflammation ». Misy ihany koa ny « acide glycolique » na « lactique » izay manadio moramora ny hoditra ary mandrisika ny fihavaozan’ireo sela. Rehefa misafidy ny vokatra hikoloana ny tarehy arak’izany dia mila jerena tsara hoe misy ireo singa ireo ao anatiny. Mila atao matetika moa ity fikarakarana ny hodi-tava ity mba hahazoana vokatra tsara.
Mihinana sakafo manankarena « antioxydants »
Miainga avy anatin’ny vatana ihany koa ny fahasalamana sy ny fahatsaran’ny hoditra. Mba hahatongavana amin’izany dia mila mihinana sakafo manankarena « antioxydants », toy ny voankazo mena, ny voasary, ny legioma maitso, sakafo manankarena vitamina A, C sy E. Tsy adinoina ny misotro rano tsara, tsy latsaky ny 1,5 litatra isan’andro. Ny « antioxydants » dia manampy amin’ny fiadiana amin’ireo vokadratsin’ny sigara eo amin’ny hoditra.


