• Cours de change
  • 5233.93 AR
  • |
  • $4534 AR
Copyright Image : © Se Réaliser
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fambara mahazatra mampiseho fa efa mihoa-pampana ny rarintsaina

19/01/2026 15:15 © Moov.Mg

Ny rarintsaina na « stress » dia fihetsika voajanahary ataon’ny vatantsika manoloana ny fanerena sy olana samihafa atrehana amin’ny fiainana andavanandro. Rehefa tsy maharitra izy io dia mety hahasoa, satria manampy amin’ny fitandremana, ny fihezahana sy ny fahombiazana. Raha maharitra sy mihamafy kosa nefa ny rarintsaina dia mety hanimba ny fahasalamana ara-batana, ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. Ilaina ny mahafantatra ireo fambara mampiseho fa efa tafahoatra ny adin-tsaina mba hahafahana mifehy izany mialoha. Araho ary ireo fambara mila araha-maso.

Fambaran’ny rarintsaina tafahoatra : Havizanana maharitra sy tsy fantatra antony

Isan’ireo fambara voalohany maneho rarintsaina maharitra sy mihoa-pampana ny havizanana tsy mety misinda. Na dia avy natory tsara sy ampy aza dia mahatsiaro tena reraka foana. Ny vatana rehefa mijanona anaty « pression » tsy ankiato dia mandany angovo be mba hiatrehany izany, ka izay no mahatonga ny harerahana.

Fikorontanan’ny torimaso matetika

Rehefa diso tafahoatra ny rarintsaina dia lasa manelingelina ny torimaso. Mety ilay olona ho lasa sarotra vao mahita tory, lasa tapa-tory matetika amin’ny alina, na koa lasa tsy mahazo torimaso lalina. Feno eritreritra, adin-tsaina sy ahiahy ny saina ka tsy afaka miala sasatra tanteraka. Izany moa dia vao maika mampihombo ny havizanana sy ny fahakizitinana.

Fahakizitinana mafy sy mora tezitra

Ny olona tratran’ny rarintsaina lalina dia mety ho mora tezitra, tsy manam-paharetana, mitaintaina matetika na mora kivy sy mora malahelo. Mety haneho fihetsika na fanehoan-kevitra tafahoatra izy manoloana ny zavatra madinika. Izany moa dia mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.

Sahirana mifantoka sy verivery tadidy

Ny rarintsaina maharitra dia misy fiantraikany ratsy amin’ny fiasan’ny saina. Lasa sahirana kokoa ilay olona mifantoka, mitadidy zavatra na koa mandray fanapahan-kevitra. Matetika izy dia verivery tadidy, verivery saina na koa lasa mihena ny vokatra amin’ny asa na amin’ny fianarana.

Misy soritr’aretina ara-batana miverimberina

Matetika ny vatana dia maneho ny rarintsaina tafahoatra amin’ny alalan’ny fanaintainana sy fahatsapana tsy mahazo aina. Ny olona voakasik’izany dia mety ahitana aretin’andoha, fihenjanan’ny hozatra (indrindra eo amin’ny vozona sy ny soroka), fanaintainan’ny kibo, fikorontanan’ny fandevonan-kanina, fitempon’ny fo mafy na fahatsapana faneriterena eo amin’ny tratra.

Fihenan’ny risi-po sy fahaverezan’ny fahafinaretana

Rehefa manjaka ny rarintsaina dia mety ho very tsikelikely ny fitiavana na fahalinana amin’ireo zavatra nahafinaritra teo aloha. Lasa mahatsiaro tena kivikivy eo amin’ny fiainana, feno fahasosorana ary mahatsapa resin’ny olana. Izany rehetra izany dia mety hitarika amin’ny faharerahana ara-tsaina lalina na « burn-out ».

Fiovana eo amin’ny fisakafoanana

Misy fiantraikany amin’ny fahazarana ara-tsakafo ny rarintsaina tafahoatra. Mety ilay olona lasa mahery misakafo be loatra, indrindra sakafo mamy sy be tavy. Mety ihany koa hifanohitra amin’izay, lasa tsy mazoto homana mihintsy. Ireo fiovana amin’ny fisakafoanana ireo dia mety hampisy vokadratsy ara-pahasalamana.

Fitokana-monina sy fialana amin’ny fiaraha-monina

Ny rarintsaina mihoa-pampana dia mety hahatonga ny olona tsy te hifanerasera amin’ny hafa tsikelikely na koa te hitoka-monina. Ny havizanana sy ny tsy fahazotoana hifandray amin’ny olona dia mety hitarika amin’ny fahatsapana ho irery sy hampitombo ny olana ara-tsaina.

Fihenan’ny hery fiarovan’ny vatana

Ny rarintsaina maharitra sy tafahoatra dia mampihena ny hery fiarovan’ny vatana. Mora marary kokoa ny olona voakasik’izany, mora tratran’ny sery na aretina hafa, ary ela sitrana.

Lire la suite

Articles Similaires