Fikoloana ny fahasalamana : tsy azo atao tsirambina na dia sahirana ara-potoana aza
Maro amintsika no miaina anaty rotoroto : asa, adidy ao an-tokantrano, olana tampoka… hany ka lasa atao laharam-paharoa ny fahasalamana. Tsy voatery handany fotoana na vola betsaka nefa ny fikarakaran-tena sy fikoloana ny fahasalamana. Ireto ary misy fihetsika tsotra tsy mitaky fotoana be nefa azo ampidirina amin’ny andavanandrom-piainana mba hikoloana ny fahasalamana.
Mihinana sakafo ara-pahasalamana na dia tery aza ny fotoana
Matetika rehefa tery ny fotoana dia izay sakafo vetivety sy mora hita no hoanintsika : vary fotsy mitafotafo, sakafo voahendy, tsakitsaky na zava-pisotro mamy. Azo atao tsara nefa ny manatsara ny fisakafoanana nefa tsy mila manova zavatra be amin’ny andavanandrom-piainana :
-Asiana legioma na hanana isaky ny misakafo ;
-Voankazo no atao « goûter » fa tsy ireny « biscuits » na kimofomofo be lafarina sy menaka ;
-Ahena ny sakafo (laoka) kiendiendy ;
-Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro.
Ireo fanamboarana vitsy ireo dia efa manampy amin’ny fisorohana ny harerahana, ny fikorontanan’ny fandevonan-kanina sy areti-mitaiza sasany.
Manetsiketsika vatana kely isan’andro
Maro no mihevitra fa sarotra ny manao fanatanjahan-tena rehefa be asa sy raharaha enjehina. Marihana nefa fa tsy voatery mandeha any amin’ny toerana fanaovana fanatanjahantena vao mety. Ampy hanetsiketsehana vatana hikoloana ny fahasalamana ny :
-Fandehanana tongotra, ohatra rehefa mankany an-tsena, mandeha miasa… ;
-Fampiasana ny vatana amin’ny raharaha andavanandro, toy ny fanadiovana, fikarakarana zaridaina… ;
-Manao « étirements » mandritra ny minitra vitsy isa-maraina na hariva.
Ny fizarana mampihetsiketsika ny vatana mandritra ny 30 minitra fara fahakeliny isan’andro dia manatsara ny fikorian’ny rà, mampihena ny rarintsaina ary manampy amin’ny fanatsarana ny torimaso.
Manokana fotoana hialana sasatra
Tena ilain’ny vatana sy saina ny fialana sasatra na fakana aina, indrindra rehefa amin’ny alina sy faran’ny herinandro. Sady misoroka ny harerahana loatra no manampy amin’ny fanavaozana ny sela sy fampitoniana ny saina moa izany. Tsotra ny fampiharana azy io amin’ny andavanandro :
-Miezaka matory amin’ny ora mitovitovy isan’andro. Tsara raha tsy mihoatra ny amin’ny 9 na 10 ora alina izany ;
-Fadiana ny mijery finday na fahita lavitra alohan’ny hatory satria mety tsy hampahita tory aloha na haharatsy ny kalitaon’ny torimaso ny fanaovana izany ;
-Raha azo atao dia matory kely minitra vitsy amin’ny atoandro mba hamerenana ny hery, indrindra raha ratsy torimaso ny alina.


