Fitaterana an-dranomasina : 56 % ny taham-pahavitan’ny asa fanarenana ny seranan-tsambon’i Mahajanga
Mitohy ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa samihafa eo amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Amin’izao fotoana izao dia eo amin’ny 56% eo, ny taha-pandrosoan’ny asa.
Vinavinaina ho vita ny volana mey ny asa.
Nitsidika io asa tanterahina ao Mahajanga io ny Ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Juste Créscent Raharisone, ny faran’ny herinandro, lasa teo. Raha ny tatitra tany an-toerana dia vinavinaina ho vita ny volana mey 2026, io asa fanarenana io, satria efa maherin’ny atsasa-manilan’ny asa no vita. Raha tsiahivina dia ny volana febroary 2025 no nanomboka ity asa ity. Ny fotodrafitrasa ho atao ao anatin’izany dia ny fanorenana ny efitrano lehibe izay hisahana ny fitahirizana entana. Etsy ankilany ny fanalavana ny "quai" fiaingana sy fahatongavan’ny sambo. Raha tsiahivina dia ho atao mirefy 13 000m2 ny toerana fitehirizana ary hangezana hatramin’ny 255 metatra ny « quai ». Manampy izany ny fananganana ireo trano fandraisana sy birao samihafa ho an’ny mpiasa sy ny fitantanana.
Vatsian’ny banky Iraisam-pirenena 10.2 miliara ariary
Isan’ny fotodrafitrasa manan-danja, eo amin’ny lafiny toekarena ao amin’ny faritra Boeny ity seranan-tsambo ity. Ivon’ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny tapany andrefan’ny Nosy ary seranan-tsambo voalohany amin’ny fanjonoana makamba izy io. Sakana kosa amin’ny fandraisana ireo sambo lehibe ny fahateren’ny toerana. Etsy ankilany dia ilaina ihany koa ity asa lehibe ity hiarovana ny fotodrafitrasa sy ho fitohizan’ny asa ara-toekarena.
Tanjon’ny asa moa dia mba ho seranan-tsambo azo antoka sy mahomby kokoa, ary maharitra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ity ao Mahajanga ity. Mba ho afaka hanampy ny fampidiram-bola ho an’ny faritra Boeny sy ho an’ny Fanjakana Malagasy, ihany koa, ny fisiany. Izany indrindra no hanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny asa tanterahina, izay mitentina 10.2 miliara ariary.


