Torimason’ny zaza : tokony fohazina ve ny zaza « matory be loatra » ?
Isan’ny zavatra mampametra-panontaniana… ary indraindray mampiahiahy ny ray aman-dreny ny torimason’ny zaza. Rehefa matory maharitra loatra ny zazakely dia manontany tena ny ray aman-dreny sao mila fohazina izy hinono na sao lasa be loatra ny torimasony. Tena misy tokoa ve ny hoe matory be loatra ny zaza ? Rahoviana no tokony hiditra an-tsehatra manoloana izany ?
Torimason’ny zazakely : filàna lehibe sy miovaova
Ny zaza vao teraka dia matory eo ho eo amin’ny 14 hatramin’ny 18 ora isan’andro, indraindray mihoatra. Miparitaka ao anatin’ny 24 ora moa io faharetan’ny torimasony io ary tsy manavaka ny andro sy ny alina. Samihafa moa ny zaza tsirairay, misy ireo matory maharitra ary misy kosa ireo matory tapatapaka fa matetika.
Amin’ny ankapobeny dia manambara fitomboana tsara eo amin’ny zazakely ny fatoriana be, indrindra raha toa izy ka :
-Mifoha ho azy rehefa hinono na hisotro solon-dronono ;
-Mahazo lanja ara-dalàna ;
-Matanjaka sy matozoto tsara rehefa mifoha.
Mila fohazina hisakafo ve ny zazamena vava ?
Indraindray dia mila fohazina ihany ny zazamenavava matory maharitra be, indrindra mandritra ao anatin’ny herinandro vitsy taorian’ny nahaterahana, raha toa izy ka ;
-Latsaky ny 2 na 3 herinandro ;
-Mbola tsy nahatratra ny lanja ara-dalàna ;
-Teraka tsy tonga volana na kely loatra (tsy ampy lanja) tamin’ny vao teraka ;
-Tsy misakafo tsara (minono na misotro solon-dronono).
Amin’ireo tranga ireo matetika dia asain’ny mpitsabo hampinonoana isaky ny adiny 3 na adin’ny 4 ora izy ka mila fohazina hisakafo, eny na amin’ny alina aza.
Rehefa mahazo lanja tsara ary mitombo ara-dalàna izy dia tsy ilaina intsony ny mamoha azy hisakafo.
Azo avela matory maharitra be ve ny zazakely ?
Amin’ny ankapobeny dia azo avela hanarapo amin’ny torimaso ny zaza, na dia matory maharitra be aza, raha toa izy ka :
-Misakafo tsara ;
-Mando ara-dalàna ny tatiny (mipipy tsara) ;
-Mitombo ara-dalàna ;
-Tsy misy antony tokony hampifoha azy.
Mila entina mpitsabo kosa nefa ny zaza matory maharitra be raha toa ka :
-Sarotra fohazina ;
-Zara raha minono na misotro solon-dronono ;
-Malemilemy, tony loatra tsy toy ny mahazatra na tsy dia « réactif » ;
-Misy fiovana be tampoka ny fihetsiny.
Tsy voatery ho olana ara-pahasalamana sarotra ireo fambara ireo, nefa kosa tokony handrisika fizahana any amin’ny mpitsabo ihany.


