Fomba fiaina ara-pahasalamana : fihetsika kely nefa mitondra vokatra lehibe
Tsy voatery mitaky fiovana lehibe ny fampiharana fomba fiaina ara-pahasalamana. Matetika ny fahazarana tsotra atao isan’andro no misy fiantraikany lehibe amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. Rehefa atao tsy tapaka ireo fihetsika kely ireo dia manatsara ny fahasalamana sy ny kalitaon’ny fiainana.
Fomba fiaina ara-pahasalamana : sakafo voalanjalanja isan’andro
Zava-dehiba amin’ny fampiharana fomba fiaina ara-pahasalamana ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Miompana amin’ny fihinanana sakafo maro karazany, ny fampitomboana ny legioma sy voankazo, ny fisotroana rano ampy ary ny fampihenana ny sakafo matavy sy ny siramamy izany. Ny fanajana io fomba fisakafoanana io dia manampy ny vatana hahazo hery sy ny otrikaina ilainy. Manamafy ny hery fiarovana ary misoroka aretina maro ihany koa.
Fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka
Anisan’ny fototry ny fomba fiaina ara-pahasalamana ny fanatanjahan-tena. Tsy voatery ho kotrana mafy no atao : ny fandehanana an-tongotra isan’andro, ny fiakarana tohatra, na fanazaran-tena tsotra ao an-trano dia efa manampy amin’ny fitazonana ny vatana ho salama, mampihena ny adin-tsaina ary manatsara ny fikorian’ny rà.
Fahampiana torimaso
Tena ilaina ny vatana sy ny saina ny fahampiana torimaso sy ny fatoriana ara-potoana. Manampy betsaka amin’ny fihavaozan’ny sela sy amin’ny famerenana ny hery ny torimaso tsara kalitao sy ampy. Ankoatra izay dia manatsara ny fifantohana, ny fitadidiana ary ny fandrindrana ny toe-po ihany koa izany. Eo amin’ny vatana dia manampy amin’ny fiadiana amin’ny havizanana maharitra ny fahampiana torimaso.
Fikarakarana ny vatana sy ny saina
Manana anjara toerana lehibe ampin’ny fampiharana fomba fiaina ara-pahasalamana ny fikarakarana ny vatana sy ny saina. Atomboka amin’ny fitandrovana ny fahadiovana izany : manasa tanana matetika ary mandro isan’andro mba hanesorana ireo loto mety hanentsina ny mason-koditra, mampisy fofona ratsy na koa mitondra otrikaretina (tanana maloto). Ankoatra izay dia maka fotoana hialana sasatra sy hifehezana ny adin-tsaina mba hisorohana olana ara-pahasalamana samihafa mety haterak’izany.


