Fomba tsotra fanaovana « flan caramel aux œufs »
Fomba fikarakarana « flan » matsiro sy mora atao indray ary no atoro antsika eto. Tsy dia be masonkarena ary tsy mila dingana lava be ny fanaovana azy. Mety tsara ho an’ny ankizy sy ny lehibe moa ity karazana tsindrin-tsakafo ity. Araho ary ny fikarakarana azy !
Ireo zavatra ilaina raha hanao « flan caramel aux œufs »
-Atody 4 ;
-Ronono velona 0,5l ;
-Siramamy ¼ kg ;
-Ronono mandry mamy izay fatra hitiavana azy ;
-Lavanila 1 sotrokely (mety foana na ranony na vovony).
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Kapohana ny atody ary arotsaka ao ny ronono mandry mamy mba hampifangaro tsara azy.
Arotsaka ao anatin’io fangaro io ny ronono velona sy ny lavanila. Tohizana kapohana mba hifangaro tsara avokoa ireo akora.
Amboarina ny « caramel ». Izany hoe hatsonika anaty vilany kely na lapoaly ny siramamy. Tsy asiana rano fa rehefa mitsonika tsara sy mahazo loko dia esorina teo ambony afo. Tsy avela ho may manjary mangidy.
Alaina ny lasitra (moule à flan) dia araraka ao ilay « caramel ». Atao miparitaka tsara amin’ny vodin’ilay lasitra ny « caramel ». Rehefa vita izay dia arotsaka moramora ao ilay fangaro nokarakaraina teo ambony.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 40 hatramin’ny 45 minitra eo ho eo. Avela mangatsiaka tsara vao esorina amin’ny lasitra. Apetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora vitsivitsy vao haroso.


