• Cours de change
  • 5309.78 AR
  • |
  • $4575.94 AR
Copyright Image : © Sciencesetavenir
Image
Fahasalamana&Sakafo

Variole du singe / Nendran-drajako : Ireo sakafo mampitombo ny hery fiarovana

05/01/2026 07:17 © Moov

Efa 40 ireo olona voamarina fa tratran'ny valan'aretina Nendran-drajako eto Madagasikara, raha ny antontan'isa omaly 4 janoary. Tsara araka izany raha samy mitandrina ny tsirairay.

Ankoatra ny fampihenana ny fifampikasohana amin'ny hafa sy ny fitandrovana ny fahadiovana, mila ampitomboina ny hery fiarovan'ny vatana.

Ireo sakafo manampy hery fiarovana

Tsara raha hanina ireto sakafo ireto, mba hiadiana amin'ny valan'aretina nendran-drajako :
-Akondro : Manankarena Manganese io voankazo io, ka mahasoa ny fihinanana azy, singany iray na roa isan'andro
-Yaourt : Misy otrikaina maro ny Yaourt, ka mila mihinana iray isan'andro ny rehetra, na ankizy na olondehibe
-Voamaina : ny Tsaramaso maina sy ny tsiasisa dia mitondra Fer sy Zinc, ka tsara ny hihinana azy indroa isan-kerinandro
-Atikena : Mitondra Fer sy Zinc ary Vitamine B9. Tokony hanina indray mandeha isan-kerinandro
-Brocoli : Mirondra vitamine A, ka tsara hanina in-telo isan'andro
-Voasary/ Voasary makirana : Misy vitamine C. Azo hanina isan'andro, atao ranomboankazo na afangaro amin'ny crudités.

Lire la suite

Articles Similaires