• Cours de change
  • 5294.16 AR
  • |
  • $4570.13 AR
Copyright Image : © Africansights
Image
Fahasalamana&Sakafo

Variole du Singe/ Nendran-drajako : Azo sorohina sy tsaboina tsara !

31/12/2025 08:01 © Moov

Tafiditra eto Madagasikara ny Variole du Singe na Nendran-drajako. Araka ny fampitam-baovao omaly talata 30 desambra 2025, olona 5 no voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina, ao Mahajanga voalohany. Mila mitandrina isika rehetra satria mahery vaika sy mamono ary mora mifindra ny Mpox.

Ny MPox (Simian Orthopoxvirus) dia areti-mifindra eo amin'ny biby "Primates non-humains" sy ny Olombelona "Primates humains". Zoonoses na Antrozoonose no iantsoana izany fifamindrana aretina eo @ biby sy olona izany. Rehefa tafiditra amin'ny olombelona nefa ny aretina, dia mamindra amin'ny olombelona hafa izy.

Ireo fambara sy fisehon'ny Mpox
Matetika dia mipoitra 1 ka hatramin'ny 2 herinandro aorian'ny nifasakasany tamin'ny olona marary ny fambara. Mizara roa lehibe izany:
-Ny fanaviana sy ny harerahana : Misy tazo mahery, marary ny loha sy ny hozatra, mivonto ny "ganglions" (ireo herotra kely amin'ny tenda, ny helika, na sns), reraka be ny vatana.
-Ny fisehon'ny kiky na "boutons": mipoitra 1 ka hatramin'ny 3 andro aorian'ny tazo.
Matetika manomboka amin'ny tarehy vao miely amin'ny vatana (felan-tanana, faladia, ary misy fotoana any amin'ny faritry ny fivaviana). Miovaova ireo kiky ireo: manomboka fisaka, avy eo mibontsina misy rano mazava, avy eo lasa misy nana, ary farany mikonandrony sy mihintsana.

Ny fomba fifindrany
Mifindra amin'ny alalan'ny:
-Fifampikasohana akaiky: Hoditra amin'ny hoditra (fiankohofana, firaisana ara-nofo).
-Ny rora na piti-drora: Rehefa miresaka akaiky be, mikohaka, na miatsiaka.
-Fitaovana maloto: Lamba firakotra, lamba famaohana, na fitafiana nampiasain'olona marary.

Ny fomba fisorohana
Mba tsy hidiran'ny aretina dia ireto misy dingana tsotra azonao atao:
-Sasao matetika ny tanana: Ampiasao savony sy rano madio, na "gel hydroalcoolique".
-Halaviro ny fifampikasohana: Aza mikasika ny hoditry ny olona mampiseho fambara kiky na "boutons".
-Aza ampiasaina ny fitaovan'ny hafa: Indrindra ny lamba firakotra sy ny akanjo.
-Manao arovava (Masque): Raha toa ka misy olona marary ao an-trano na mikarakara marary.
Tsara raha manantona mpitsabo avy hatrany raha vao misy tazo sy kiky hafahafa mipoitra. Miafara amin'ny fahafatesana ny tsy fitsaboana izany aretina izany.

Lire la suite

Articles Similaires