• Cours de change
  • 5294.16 AR
  • |
  • $4570.13 AR
Copyright Image : © Zoom Earth.Webp
Image
Vaovao

Rivo-doza Grant : Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro mandritra ny faran’ny taona sy ny taombaovao

29/12/2025 16:06 © Moov.Mg

Efa tafiditra ato anatin’ny fari-dranomasina misy an’i Madagasikara ilay rivodoza Grant, izay avy any amin’ny fari-dranomasina aostralianina. Raha ny vinan’ny toetry ny andro, hatreto, dia tsy hanelingelina ny fetin’ny faran’ny taona eto amintsika izy. Na izany aza, ahitana fitomboany ny rotsak’orana amin’ny faritra maro eto Madagasikara, manomboka androany 29 desambra 2025.

Grant, manana tanjaka « cyclone tropical intense »

Efa tonga eo amin’ny dingan’ny « cyclone tropical intense », izany hoe : rivo-doza mahery, ilay andro ratsy Grant, nanomboka omaly alahady alina, hifoha androany alatsinainy, raha ny nambaran’ny Météo France. Kely dia kely ny savaivony, araka ny fantatra, saingy tena mahery kosa ny rivotra entiny, izay mifantoka eo amin’ny ivony. Any ho any amin’ny 4.000 hatramin’ny 4.500 km any atsinanan’i Madagasikara no misy azy, ho an’ny androany maraina, ka mbola tsy misy ny fiantraikany mivantana amin’ny toetry ny andro eto amintsika. Raha ny nambaran’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro eto Madagasikara, dia mizotra miakandrefana hatrany ny diany amin’ity herinandro ity, ka tsy mbola hahakasika an’i Madagasikara. Araka izany, tsy ahiana hanimba ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taombaovao i Grant. Manara-maso ny fivoarany hatrany ireo teknisianina, ka hatreto dia heverina fa manomboka ny 4 na 5 janoary 2026 vao mety hisy ny fiantraikan’ity andro ratsy ity amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara.

Na izany aza dia ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika izao ary somary ho betsaka ny rotsak’orana ao anatin’ny 24 ora, araka ny nambaaran’ny Foibe Famantarana ny toetry ny Andro. Ho an’ity androany ity, dia nahazo fampitandremana miloko mena Analamanga, Arivonimamo, Ambatolampy, Antanifotsy, Anosibe an’Ala, Moramanga, Marolambo, Mahanoro, Antanambao Manampotsy, Vatomandry ary Brickaville. Mety hanodidina ny 30 hatramin’ny 70 mm ny tahan’ny rotsak’orana ao anatin’izay 24 ora izay, raha ny fanazavan’ny teknisianina. Ho an’ny andron’ny rahampitso 30 desambra 2025 dia ho maloka hatrany ny andro ho an’ny fovoan-tany sy ny ilany atsinanan’i Madagasikara ary ny any amin’ny tapany avaratra, amin’ny maraina. Mety harahina orana malefaka izany ho an’ny afovoan-tany sy ny moron-tsiraka afovoany atsinanana. Amin’ny tolakandro kosa dia hihamaina ny andro amin’ny ilany afovoany andrefana sy ny atsimo andrefana ary ny tapany atsimo, fa mety hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka kosa ny any amin’ny Faritra hafa.

Faran’ny taona sy taombaovao ao anaty orana

Amin’ny 31 desambra 2025, hankalazana ny faran’ny taona, dia ho malomaloka ny andro amin’ny vao maraina, ho an’ny faritra avaratra andrefana sy ny afovoan-tany. Hisy orana malefaka kosa any amin’ny Faritra SAVA, Ambatosoa, Analanjirofo, Alaotra Mangoro ary Atsinanana. Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny, na handrahona vitsy, any amin’ny Faritra hafa, indrindra ny any amin’ny ilany andrefana sy ny faritra atsimo. Hisy orana tandrifindrahona mitsitokotoko arahin-kotroka indraindray amin’ny tolakandro sy ny alina, ho an’ny afovoan-tany sy ny faritra Avaratra ary ny ilany afovoany andrefana. Ho maina na handrahona kosa ny any amin’ny Faritra hafa.

Ho an’ny voalohan’ny volana janoary 2025, fandraisana ny taona vaovao, dia handrahona na hanjombona, mety harahina orana malefaka, amin’ny vao maraina be, ho an’ny afovoan-tany sy any amin’ny ati-tany avaratra andrefan’i Madagasikara. Saika hanjombona ny andro amin’ny ankapobeny any amin’ny faritra avaratra sy ny moron-tsiraka afovoany atsinanana. Any amin’ny tapany atsimo sy ny ilany afovoany andrefana kosa dia hifandimby ny rahona sy ny masoandro. Ny tolakandro : ho maina ny any amin’ny Faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy. Tombanana hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka ny any amin’ny Faritra hafa.

Lire la suite

Articles Similaires