Hibiscus : Mahatsara ny tosidrà sady mahatanora lalandava
Anisan'ny voninkazo hita eto Madagasikara ny Hibiscus. Sady tsara endrika sady azo atao fanafody izy io.
Efa maro tokoa ireo mpandraharaha malagasy manolotra vokatra vita amin'ny Hibiscus. Voninkazo maina na na dite na ranomboankazo no tena fahita matetika.
Mahatanora lalandava
Misoroka ny fahanterana aloha loatra ny Hibiscus. Mikolokolo ny hoditra izy, ka manakana ny fisian'ny kentrona. Misy mihitsy ireo mampiasa io voninkazo io amin'ny fanamboarana fangaro fikolokoloana tarehy sy lokomena.
Manala ny menaka ratsy (cholestérol) amin'ny vatana ihany koa ny Hibiscus, ka mampizotra tsara ny asan'ny taova rehetra.
Mahatsara ny tosidrà
Mahasoa ny olona manana tosidrà ambony na ambany ny Hibiscus. Mampizotra tsara ny fikorian'ny rà mantsy ny singa entiny. Mazava ho azy, mahatsara ny fahasalaman'ny fo ihany koa izany. Raha mahita hibiscus maniry eo an-tokontany, tsara hamainina ny voninkazony ka hanina avy eo : mamimamy ny tsirony.
Amin'ny ankapobeny, ny hibiscus miloko mavokely, mavokely antitra (fuschia) na mena no tena fampiasa raha hanodina azy ho fanafody na vokatra fihinana/ fanosotra.


