• Cours de change
  • 5282.45 AR
  • |
  • $4558.6 AR
Copyright Image : © Mta
Image
Vaovao

Parc Tsimbazaza : Fambolen-kazo no nanombohana ny fankalazana ny faha-zato taona niorenany

23/12/2025 16:09 © Moov

Feno zato taona amin’ity taona 2025 ity ny Valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT) ; nanomboka androany ny fankalazana izany. Nifamotoana teny an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy sy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Ramatoa Vololoniaina Lucie, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ireo Ministera roa tonta ary ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny PBZT notarihin'ny Taleny Dr HDR Letsara Rokiman.

Fambolen-kazo hatao vato fehizoro

Marika azo tsapain-tanana no nentina nanombohana ity fankalazana ity. Niara-namboly hazo ireo tompon’andraikitra tonga teny an-toerana ireo, ary hatao ho vato fehizoro ny fankalazana izany. Maharitra rahateo ny hazo ary ho tadidy hatrany sady hipetraka ho tantara amin’ny taona ho avy rehetra. Ankoatra izay dia niaraka nikolokolo ireo zava-maniry maitso sy nandoko ireo fotodrafitrasa, ihany koa izy ireo. Izany rehetra izany dia natao mba ho marika hita maso, amin’ity fankalazana ny faha-100 taonan’ny Valan-javaboahary Tsimbazaza ity.
Tetsy ankilany dia nanolotra tekela-pamantarana miisa 119 misy anarana sy mombamomba ireo biby sy zava-maniry, ary torolalana amin’ny zavatra tsy azo atao (panneaux d’information), ary takelaka lehibe miisa 3 mirakitra ny tantara sy fanazavana samihafa ny avy ao amin’ny Ofisy Rezionaly momba ny fizahan-tany eto Analamanga (ORTANA).

Fanavaozana ny toerana

Zato taona ary efa hita taratra ao an-toerana ny fahanteran’ny fotodrafitrasa samihafa. Izany indrindra no nananganana ny Komity hanarina ity toerana ity, amin’izao faha-zato taonany izao. Isan’ny ao anatin’ny asa fanatsarana ny toerana ireto efa notanterahina androany ireto. Raha ny fanazavana, avy amin’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny asa tanana dia vao manomboka ihany, izao, fa hitohy amin’ny asa hafa maro izany.

Lire la suite

Articles Similaires