Fanatanjahantena amin’ny andro mafana : ‘ndeha ho resahana !
Amin’izao fahavaratra izao dia maro ny mazoto miazakazaka na manao fanatanjahantena eny ankalamanjana eny manararaotra ny andro tsara. Rehefa mafana sy midanika be nefa ny andro dia miasa mafy kokoa ny vatana mandritra ny fanatanjahantena ka mety hiteraka « malaise » na olana hafa. Ahoana ary ny atao mba hanohizana tsy misy atahorana ny kotrana rehefa mafana ny andro.
Fanatanjahantena amin’ny andro mafana : safidiana tsara ny fotoana hikotranana
Isan’ny fahadisoana be mpanao ny fitazomana ny ora fikotranana mahazatra. Mandritra ny vaninandro mafana dia fadiana ny mikotrana na manao fanatanjahantena eo anelanelan’ny amin’ny 11 ora atoandro hatramin’ny amin’ny 5 ora hariva. Amin’io fotoana io tokoa mantsy matetika no tena mafana be sy midanika be ny masoandro. Tsara kokoa raha mifoha maraina, eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora hatramin’ny 8 ora maraina. Mbola mangatsitsiaka ny andro ary mbola tsy nitazona ny hafanana nandritra ny tontolo andro ny tany. Raha amin’ny hariva vao afaka dia mila endrasana ambany ny masoandro.
Fitafy sy kiraro maivana no hanaovana
Fahazarana ny manao akanjo « coton » rehefa manao fanatanjahantena. Mifoka ny hatsembohana nefa izy ireny, indrindra rehefa mafana be ny andro, ka manjary lasa mavesatra sy mampangatsiaka nohon’ny hamandoana. Ireo karazana lamba « synthétiques respirants » izay afaka mampihentona ny hatsembohana no tsara kokoa. Ankoatra izay dia akanjo miloko matsatso, toy ny fotsy na « beige », no safidiana satria ny loko matroka, toy ny mainty, dia mandray ny « rayons infrarouges ». Tsy adinoina ny manao « casquette », « crème solaire »… hiarovana amin’ny hainandro.
Tsy miandro mangetaheta vao misotro rano
Mety manary mihoatra ny rano 1 litatra isaky ny adiny iray ny vatana rehefa manao fanantanjahantena amin’ny andro mafana. Mba hisorohana ny tsy fahampiana rano dia mila misotro rano tsara rehefa mikotrana fa tsy miandry mangetaheta. Ilaina ny misotro rano 0,5l adiny roa mialoha sy aorian’ny fanatanjahantena. Mandritra ny kotrana dia misotro 2 na 3 « gorgées » isaky ny 15 minitra. Raha mihoatra ny adiny 1 ora ny fikotranana dia asiana sira 1 tsongo na « électrolytes » ao anatin’ny rano sotroina mba hanonerana ny mineraly very.
Ireo fambara tokony hahamailo
Mila fitandremana ny fanaovana fanatanjahantena amin’ny andro mafana be satria mety hitarika « malaise » izany. Raha sendra misy olana dia maneho fambara mazava tsy azo atao tsirambina ny vatana.
-« Crampes » mafy be : mety ho fambarana tsy fahampiana rano (déshydratation) na/sy fahaverezana mineraly (sels minéraux). Raha mitranga izany dia mila ajanona ny kotrana, manao « étirements » malefaka ary misotro rano nasiana sira na « électrolytes ».
-Maray andoha na/sy maloiloy : tratry ny « début d’insolation ». Mila mitsahatra avy hatrany, maka aina amin’ny toerana malokalola.
-Mangatsiaka be na marikoditra : mety midika tsy fahatomombanan’ny « thermorégulation ». Atsahatra avy hatrany ny kotrana ary mitobaka rano malaky.
-Fanina na tsy mahatsiaro tena : mankany amin’ny toeram-pitsaboana avy hatrany.


