• Cours de change
  • 5233.05 AR
  • |
  • $4524.77 AR
Copyright Image : © Miel Pur Délice
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikoloana ny vatana : Zava-pisotro natoraly manampy hanalana ny tavy

17/12/2025 15:16 © Moov.Mg

Zavatra isan’ny manahirana ny maro ny manala tavy be izay sady tsy mahasalama no manimba bika. Ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ny fanaovana fanatanjahantena moa no fomba maharitra hanesorana ny tavy sy hisorohana izany tsy hiverina. Ho fanampin’izany dia ity misy zava-pisotro natoraly manampy betsaka amin’ny fanalana ny tavy. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina amin’ny fikarakarana ity zava-pisotro manala tavy ity

-Rano 1,5l ;
-Voasary makirana 4 ;
-Tantely 1 sotrokely.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Ampangotrahana ny rano.
Sasana tsara ary tetehana boribory somary manify ny voasary makirana. Esorina ny vaoniny.
Rehefa mangotraka ny rano dia arotsaka ao ireo voasary makirana.
Avela hitanika eo mandritra ny 10 minitra. Rehefa vita izay dia tatavanina hiala ireo voasary makirana.
Avela hangatsiaka dia afindra anaty tavoahangy vera misarona.

Ny fomba fihinanana azy

Tsotra ny fomba fihinanana ity zava-pisotro natoraly manampy amin’ny fanalana tavy ity. Maka 1 vera ary asiana tantely 1 sotrokely. Aroharoana tsara.
Sotroina 30 minitra alohan’ny hatory izy ity, izany hoe rehefa avy misakafo hariva. Mba hahazoana vokatra tsara dia atao mandritra ny 2 herinandro. Raha tiana tohizana dia mitsahatra kely aloha mandritra ny 2 herinandro izay vao miverina manamboatra sy misotro azy indray.
Azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana ny ambin’ny ao anaty tavoahangy. Somary hafanaina kely alohan’ny hisotroana azy.

Lire la suite

Articles Similaires