• Cours de change
  • 5215.85 AR
  • |
  • $4517.59 AR
Copyright Image : © Recettes D'Aurora
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Jus » karaoty sy akondro : mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana

16/12/2025 16:05 © Moov.Mg

Sakafo samy manankarena otrikaina sy mineraly ny karaoty sy ny akondro. Azo atambatra tsara izy roa ireo hanamboarana « jus » atao tsindrin-tsakafo na koa ampiarahana amin’ny sakafo maraina. Sady tsara tsiro no mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana ny « jus » karaoty sy akondro.

« Jus » karaoty sy akondro : Mampitombo ny hery sy ny fahavitrihana

Ny akondro dia manankarena siramamy natoraly (fructose, glucose sy saccharose) sy « glucides complexes ». Ireo singa ireo no manome hery ny vatana ary mampaharitra izany. Rehefa ampiarahana amin’ny karaoty ny akondro dia mahazo zava-pisotro manankarena vitamina sy siramamy mitondra tanjaka hiatrehana ny tontolo andro. Tsara sotroina aloha na aorian’ny fanaovana fanatanjahantena ny « jus » karaoty sy akondro. Manampy amin’ny fiadiana amin’ny havizanana mandalo ihany koa izy io.

Manampy betsaka amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny maso

Ny karaoty no sakafo tsara indrindra amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny maso. Mitahiry « bêta-carotène » amin’ny tahany ambony tokoa izy io. Ny « bêta-carotène » dia « pigment » iray avadiky ny vatana ho lasa vitamina A. Ity farany moa dia tena ilaina amin’ny famokarana « rhodopsine », izay « pigment » mora mandray ny hazavana ao anatin’ny selan’ny « rétine ». Ny akondro ihany koa dia mitahiry vitamina A sy « caroténoïdes » izay mahasalama ny maso. Ny fisotroana matetika « jus » karaoty sy akondro dia manampy amin’ny fisorohana ny fahasimban’ny maso vokatry ny fahanterana.

Manatsara ny fahasalaman’ny taovam-pandevonan-kanina

Mitondra « fibres alimentaires » amin’ny fatrany ambony ny « jus » karaoty sy akondro. Ireo « fibres » ireo dia manampy betsaka amin’ny fandrindrana ny fiasan’ny tsinay sy amin’ny fisorohana ny fitohanana. Ny akondro ihany koa dia mitahiry « amidons résistants » izay manana fiasa « prébiotiques ». Izany hoe mikolo ireo bakteria tsara anaty tsinay.

Manamafy ny hery fiarovana

Ny karaoty sy ny akondro dia samy manankarena « antioxydants » sy vitamina ilain’ny vatana. Ny vitamina C ao anatin’ny karaoty dia mandrisika ny famokarana « globules blancs » izay tena ilain’ny vatana amin’ny fiadiana amin’ireo otrikaretina. Ny « antioxydants » dia manampy amin’ny fiadiana amin’ireo « radicaux libres » izay mety mitarika « stress oxydatif » sy mahatonga fahanteran’ireo sela aloha loatra.

Lire la suite

Articles Similaires