• Cours de change
  • 5215.85 AR
  • |
  • $4517.59 AR
Copyright Image : © Bace Mef
Image
Vaovao

Famokarana : Fitaovana samihafa mitentina 1.6 miliara ariary namatsiana ireo tantsaha ao amin’ny faritra Diana

16/12/2025 13:47 © Moov

Nisitraka fampitaovana maro isan-karazany avy amin’ny fandaharan’asa AFAFI NORD ireo mpamboly sy mpiompy ao amin’ny faritra Diana. Vola mitentina 1,6 miliara Ariary no nampiasaina, tamin’izany, ho fampandrosoana ny fambolena vary, akondro ary fiompiana trondro.

Tantsaha miisa 2 221 ny mpisitraka

Ny Vondrona Eoropeana no mamatsy vola ity fandaharan’asa ity. Tanjona moa, raha ny tatitra dia ny hampisitraka fitaovana tsara kokoa ireo mpamboly sy mpiompy trondro an'arivony ao amin’ny Faritra DIANA. Izany dia mba hahafahan’izy ireo mamokatra, manodina ary mivarotra ireo vokatra. Mpamboly sy mpiompy miisa 2 221, avy amin'ireo Fikambanan'ny Tantsaha miisa 87 (OP), no nahazo ireto fitaovana maoderina maherin'ny 2 000 isa ireto, izay mitentina 1.6 miliara ariary.
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana ny fambolena sy ny fiompiana. Nomena lanja manokana amin’izany ny fambolena vary, akondro ary fiompiana trondro. Mazava ny tanjona dia ny hampiakatra ny vokatra sy ny tombony amin'ireo sehatry miisa telo ireo. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo sy fanatsarana ny fari-piainan'ny mpamokatra. Tanjona lavitr’ezaka, ao anatin’izany ny handrafetana rojo-pihariana maharitra, manomboka amin'ny famokarana ka hatramin'ny fivarotana.

Fampitaovana sy fanohanana ara-bola

Samy nahazoana fitaovana avokoa na ny sehaty ny fambolena na ny fiompiana. Ohatra amin’izany ny fiasana tany : fitaovana maherin’ny 900 isa (sarcleuses, angady...). Eo ihany koa ny fitaovam-pamokarana miisa maherin’ny 400 (pulvérisateurs, motoculteurs...) sy ireo fitaovana fitarihan-drano sy angovo toy ny “Motopompes sy pompes solaires”. Niampy ireo fitaovana fanodinana sy fitehirizana toy ny décortiqueurs, fanamainana mandeha amin'ny masoandro, glacières ary ny fitaovana hanatsarana ny fiompiana trondro toy ny « happas, épuisettes, aérateurs solaires... », izany.
Ankoatra ny fizarana ireo fitaovana samihafa ireo, anefa, dia isan’ny natao hahatrarana ny tanjona ihany koa ny famatsiana ara-bola. Nahazo fanampiana hatramin'ny 24 300 000 Ariary (5 000 euros) ny tetikasa madinika (MIP), ary hatramin'ny 364 500 000 Ariary (75 000 euros) kosa ny Tetikasa Fampiasana Tany (PEA). Marihina fa ny vondrona eoropeana no miantoka ny 95 % amin'ny famatsiam-bola, ary ny 5 % kosa avy amin'ireo mpahazo tombontsoa, mba hiantohana ny faharetan'ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires