Tranon’i Mamy Ravatomanga : Ahiana ho nanatobiana fitaovam-piadiana mahery vaika
Nisy nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika teto Madagasikara, ka isan’ny ahiana ho voarohirohy ao anatin’izany ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga, antony nahatonga ny fisavana ny tranony tamin’ny sabotsy lasa teo, araka ny nambaran’ny FDS tamin’ny mpanao gazety androany.
Fitaovam-piadiana mahery vaika, tsy ara-dalàna
Nahatonga resabe ny fisavana ny tranon’ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga eny Mantasoa, tamin’ny sabotsy lasa teo. Nitondra fanazavana fohy momba izany tranga izany, androany 15 desambra 2025, ny Vondron-kery ho an’ny filaminana sy fandriam-pahalemana (FDS). Nambaran’ny jeneraly Pikulas Démosthène, lehiben’ny Etamazoron'ireo tafika, tao anatin’ny fanambarana novakiany, fa nisy nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika teto Madagasikara, ka isan’ny voasaringotra ao anatin’izany ity mpandraharaha ity. Araka izany, fisavana araka ny lalàna no notanterahan’ny FDS tamin’ny 13 desambra 2025, hoy ny fanazavany. Notsindriany fa handray andraikitra mifanaraka amin’ny lalàna avy hatrany ny FDS, raha misy olon-tsotra, na vondron’olona, na mpitondra Fanjakana, na sivily, na miaramila, ka ahiana hitarika fanakorontanana eto amin’ny tany sy ny firenena. Namafisin’ny jeneraly Pikulas Démosthène, fa mbola hitohy ny hetsika fisavana sy fitadiavana ny marina, momba ity raharaha fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy ara-dalàna ity.
Raha tsiahivina dia naharitra ora enina ny fisavana ny tranon’i Mamy Ravatomanga eny Mantasoa, tamin'ny sabotsy lasa teo, noho ny fiahiahiana fa ao amin’izany tanàna izany no nanatobiana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nanomboka tamin’ny 6 ora maraina tany ho any izany ary tamin’ny mitataovovonana vao niala teo amin’ilay tanàna ireo andian’olona nanao fisavana.
Hifanome tanana amin’ny vahoaka eny ifotony
Etsy an-daniny, amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona izao, dia nanamafy ny FDS, fa efa misy ny paikady napetraka, mba hampanjakana ny fandriampahalemana sy ny filaminana, hahafahan’ny rehetra manao fety am-pitoniana. Notsipihin’ny lehiben’ny Etamazoron'ny tafika fa hifanome tanana amin’ny vahoaka eny ifotony ireo mpitandro ny filaminana, mba hiantohana izany fandriampahalemana izany.


