• Cours de change
  • 5202.44 AR
  • |
  • $4507.52 AR
Copyright Image : © Albinos Madagascar
Image
Vaovao

Albinos Madagasikara : Miisa 16 ireo tranga fakana ankeriny zaza varira tamin’ity taona 2025 ity

15/12/2025 15:05 © Moov

Mbola mitohy ny tsy fandriam-pahalemana mianjady amin’ireo olona manana toe-tena varira, hoy ny avy ao amin’ny fikambanana Albinos Madagasikara. Tamin’ity taona 2025 ity dia miisa 16, ny trangana fakana ankeriny nianjady tamin’izy ireo.

Miisa 4 ny namoy ny ainy

Aman-taonany maro no efa niainan’ireto olona ireto ity karazana tsy fandriam-pahalemana ity. Nanomboka ny taona 2022, hatramin’izao fotoana izao dia efa niisa 86 ny tranga. Saika misy mamoy ny ainy, hatrany tamin’izany, ary ny tamin’ity taona ity fotsiny dia efa miisa 4 ireo maty vokatr’izany. Raha tsiahivina dia ny karazana finoanoam-poana no tena, hangalan’ny olona an-keriny azy ireo, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny Fikambanana Albinos Madagasikara, Soja Fulgence. Heverina fa olona miavaka, manan-jina, izy ireo, ka maro ny mety ho antony ilain’ireo mpaka ankeriny azy.

Mitaky fandraisana andraikitra

Na dia efa niantso fandraisana andraikitra, manolona izany hatrany aza izy ireo, dia miverina mampaneno lakolosy indray, ny fikambanana. « Tokony haverina daholo ireo raharaham-pitsarana mampiahiahy satria tamin’ireo tranga nisy rehetra ireo dia mahatratra hatramin’ny 90% amin’ireo voaroiroy no efa tafavoaka daholo », hoy i Soja Fulgence. Miantefa, indrindra, amin’ny Filoha, izany hafatra izany, raha ny fanazavany hatrany. Hangatahiny ny hamerenana ny fitsarana rehetra, mba hamaizana ireo, tena nanao ratsy, satria, raha io antontan’isa io dia saika votsotra avokoa ny ankamaroany.
Ankoatr’izay, moa, isan’ny dingana efa natao ihany koa ny fananganana ny fikambanana saingy misy ny lesoka ao anatin’izany. « Tanjon’ny fikambanana ny hiarovana ireo olona manana toe-tena varira, kanefa hatahoranay sao mahatonga azy ireo ho ahilikiliky ny fiaraha-monina, indray rehefa haverina eny », hoy ny fanazavana, hatrany. Eo anatrehan’izany dia tanjon’ny fikambanana amin’izao ny hamerina ny fitokisan’ny fianakaviana ny mpitandro filaminana, mba hahafahan’ireo ankizy, ho voaaro hatrany, rehefa eny amin’ny fiaraha-monina. Raha ny fanazavana, dia mbola betsaka ny dingana mila atao, hiarovana ireo olona ireo, izay ilaina ny fiaraha-miasan’ny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires