Polisim-pirenena : Niampy 30 ireo « commissaire » ary 48 ireo « officier »
Notanterahina teny amin’ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato, ny famoahana ireo polisy miisa 78, tao anatin’ny andiany Mendrika. Natao teo ambany fiahian'Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police Erick Michel Wouli Soumah Idrissa ny lanonana.
Hiaro ny vahoaka sy hanampy azy ireo
Naharitra roa taona ny fiofanana noraisin’ireto Polisy ireto. « Commissaire de Police » ny miisa telopolo (30) mianadahy amin’izy ireo, ka vehivavy ny 07. Miisa 48 kosa ireo « Officier de Police » ka vehivavy ny 11. Raha izany isa izany, dia tsy hanavahana ny fidirana amin’ity asa ity, ary indrindra ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny Minisitry ny Filaminambahoaka dia nanambara fa « goavana ny andraikitra ho sahan’izy ireo, indrindra eo amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananany ary ny fanampiana ny mpiara-belona. Izany indrindra no hanirahana azy ireo, dia mba hitombo ny isan’ireo mpiaro sy ny mpanampy ny vahoaka ireo.
Isan’ny nanafarana azy ireo ihany koa ny fanarahana ny tarigetran’ny Fitondram-panjakana, amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny Ministra. Andrasana amin’izy ireo, araka izany, ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana, raha ny fanazavana ; eo ihany koa ny fampanajana ny lalàna velona.
Andiany Mendrika
Manolona izany asa miandry azy ireo izany, dia nitsodrano ireto andiany Mendrika ireto ny Minisitra, hahavita be amin’ny asa sahanina. « Mba ho tena olo-mendrika, tokoa, amin’ny fanatanterahana ny asa ianareo », hoy hatrany ny Minisitra. Nazava tao anatin’izany fa hanompo vahoaka, izy ireo fa tsy ho tompoina ary ho mendrika amin’ny fiarovana sy ny fanampiana ireo vahoaka ireo.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany, lanonana izany, teny an-toerana moa ny Filohan'ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Jean André Ndremanjary, ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Atoa Fetra Ralambozafimbololona izay nisolo tena an'Andriamatoa Filohan'ny Antenimierampirenena. Teo ihany koa ireo minisitra vitsivitsy mpikambana eo anivon'ny Governemanta ary ireo olo-manankaja ambony sivily sy miaramila.


