• Cours de change
  • 5190.88 AR
  • |
  • $4500.49 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fondation Axian : Hanohana bebe kokoa ireo ankizy sahirana sady manana fahasembanana

14/12/2025 07:31 © Moov.Mg

Olona manana fahasembanana miisa 75 no nisitraka tohana avy amin’ny Fondation Axian, omaly 13 desambra 2025. Fifampizarana efa fanaon’ny vondron’orinasa Axian isaky ny faran’ny taona, amin’ireo olona manana fahasembanana ahiany, no namafisiny indray, tamin’io andron’ny omaly io.

Fanampiana ireo olona marefo

Efa 5 taona izao ny vondron’orinasa Axian, amin’ny alalan’ny Fondation Axian, no miahy manokana ireo olona sady marefo ara-pivelomana no sady manana fahasembanana. Tolorana vola isam-bolana izy ireo, hampiasainy araka ny filàny avy, toy ny hofan-trano, saram-pianaran’ny ankizy, sakafo sy filàna andavanandro, sns. Indroa isan-taona kosa, dia miampy fanomezana hafa izany, araka ny fanazavan-dRazakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana, eo anivon’ny Fondation Axian. Tolorana fehezan-karona izy ireo, rehefa volana desambra toy izao, mba ho fiarahana mankalaza ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Tahaka izany koa rehefa volana jona, ho fankalazana ny fetim-pirenena.

Nanatrika ity fizarana omaly ity, teny amin’ny Galaxy Andraharo, ny talen’ny vondrona Axian, Amin Hiridjee. Nitondra firariantsoa ho an’ireo olona ahian’ny vondrona izy, ary nampanantena ihany koa fa manomboka amin’io taona 2026 ho avy io dia hitombo ny sandam-bola sitrahan’ireto olona marefo ireto.

Hanohana ireo ankizy manana fahasembanana

Araka ny nambaran-dRazakamanantsoa Jessica dia hitombo isa ihany koa ireo olona hotohanan’ny Fondation Axian, amin’io taona ho avy io. Hisokatra bebe kokoa amin’ireo ankizy, izay sady manana fahasembanana no avy amin’ny fianakaviana tena sahirana ny fanampiana, hoy izy. Amin’ny ankapobeny moa dia mangataka eny an-dalamben’Antananarivo no foto-piveloman’ireto olona ireto, ka izany indrindra no mahatonga ny vondrona Axian namondrona azy ireo ao anaty fikambanana iray, hahafahan’izy ireo misitraka fanampiana tsy tapaka isam-bolana.

Ankoatra ny fiahiana ireto olona marefo ireto, dia manome fanampiana ireo zanaky ny vehivavy voafonja ihany koa ny Fondation Axian ary mizara fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy mpianatra sahirana manerana an’i Madagasikara. Ao anatin’ireny loza voajanahary isan-karazany ireny dia mandray anjara amin’ny fanampiana ireo traboina ihany koa ny vondrona Axian, tahaka izay nitranga tany amin’ny tapany Atsimo Atsinanan’iMadagasikara farany teo.

Lire la suite

Articles Similaires