• Cours de change
  • 5153.51 AR
  • |
  • $4483.52 AR
Copyright Image : © Futura
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fihinanana sira be loatra : ireo mety ho vokadratsy ara-pahasalamana mety aterak’izany

11/12/2025 11:37 © Moov.Mg

Ny fihinanana sira be loatra, indrindra ny sira miafina anatin’ireo sakafo voahodina, dia mety hitarika vokadratsy ara-pahasalamana. Tsy tokony hihoatra ny 5g isan’andro ny fatran’ny sira hoanin’ny olona tsirairay, araka ny torolalan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Inona ary ireo mety ho vokadratsy ara-pahasalamana ateraky ny fihinanana sira be loatra ?

Fihinanana sira be loatra : misy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà

Ny fihinanana sira be loatra dia manery ny vatana hitahiry rano mba hanalefahana ny sira. Izany dia mampitombo ny habetsahan’ny rà ka lasa mampiakatra ny « pression » eo anivon’ireo lalandrà. Anisan’ireo vokadratsy aterak’izany ny :
-Fiakaran’ny tosidrà. Izy io no isan’ny vokadratsy fahita aretaky ny fihinanana sira be loatra ary mampitombo ny « risques d’événements cardiovasculaires », toy ny « infarctus », « AVC »… ;
-Fihenjanan’ny lalandrà. Izany hoe lasa tsy « élastiques » intsony ireo lalandrà ka mahatonga azy ireo tsy afaka mifehy ny hamafin’ny tosiky ny rà avy any amin’ny fo. Mampitombo ny tosidrà sy ny « risques » hahavoa ny aretin’ny fo sy ny lalandrà ihany koa.

Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny voa

Ny voa no taova miandraikitra ny fitatavanana ny rà, izany hoe manala ny sira sy ny rano mihoatra. Anisan’ireo vokadratsin’ny fihinanana sira be loatra eo voa ny :
-Fampitomboana ny asan’ny voa. Lasa voatery miasa mafy kokoa ireo voa hanesorana ny sira be loatra anaty rà sy mba hitazomana ny « équilibre hydrique » ;
-Fahasimban’ny voa. Rehefa ela ny ela dia mety mitarika « insuffisance rénale » io fiasan’ny voa mafy loatra io. Ankoatra izay dia manimba ireo lalandrà madinika ao amin’ny voa ireo sira be loatra ka mety hahatonga aretin’ny voa.

Ahoana no atao hampihenana ny fihinanana sira ?

Mba hisorohana ireo olana ara-pahasalamana voalaza ireo dia mila ahena araka ny tokony ho izy ny fatran’ny sira hoanina isan’andro. Mila ahena tsikelikely izy io mba hanasarana am-pitoniana ny « papilles gustatives ». Mba hampihenana ny fihinanana sira ary dia :
-Sakafo nokarakaraina ao an-trano no tena hoanina. Voalanjalanja kokoa ny fatran’ny sira ary azo antoka ny akora ampiasaina raha oharina amin’ny sakafo any amin’ny trano fisakafoanana samihafa ;
-Fadiana ny manisy sira eo ambony latabatra fisakafoanana mba tsy hanampiana sira ny sakafo eo am-pihinanana ;
-Ferana araka ny azo atao ny fihinanana sakafo voahodina izay matetika mitahiry sira miafina ;
-Soloina « épices » sy sakafo manome tsiro hanitra ny sira hampatsiro ny nahandro.

Lire la suite

Articles Similaires