• Cours de change
  • 5153.51 AR
  • |
  • $4483.52 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Fikaonandoham-pirenena : Afaka mandray anjara ny Malagasy rehetra izay te hanangana firenena mandroso sy tsara tantana

10/12/2025 15:18 © Moov

Nosokafana tamin’ny alalan’ny fiaraha-mivavaka teny amin’ny CCI Ivato, androany, maraina ny fikaonandoham-pirenena (Concertation nationale). Saika hita teny avokoa ireo olom-panjakana, sy ireo avy amin’ny ankolafin-kery samihafa ary ireo mpitondra fivavahana. Ireo mpikambana efatra mirahalahy ao anatin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) no nitarika ny fotoana.

Mila ny fandraisana anjaran’ny sehatra rehetra

Nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, izay tsy tonga noho ny asa hafa, ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, izay Filoha mpiara-mitantana. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanehoany fa tanjon’ny fikaonan-doha ny hanangana firenena mendrika ny malagasy. Nilaza ny tenany fa ity hetsika ity no hamaritra ny ho avin’ny Madagasikara sy ny ho avin’ny taranaka mifandimby. « Adidy masina no miandry antsika rehetra satria amin’ny alalan’ity fikaonan-doha ity no hananganana firenena vanona, mandroso sy tsara tantana ka ho mendrika ny vahoaka malagasy », hoy ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa. Teo anatrehan’izany dia nanao antso avo ny Minisi-panjakana misahana ny fanavaozana, i Maitre Hanitra Razafimanantsoa, ny handraisan’ny rehetra anjara. « Tokony handraisan’ny rehetra anjara ny fanavaozana ka antsoina ny rehetra haneho ny heviny mandritra ity fikaonan-doha ity. Afaka manolotra hevitra avokoa ny Malagasy rehetra tsy hanavahana », hoy i Maitre Hanitra Razafimanantsoa.

Hiombonana ny tanjona

Araka izany, azon’ny rehetra atao ny manatrika ireo atrikasa rehetra izay ho tanterahina manomboka any amin’ny faritra. Iombonana kosa ny tanjona amin’izany, raha ny fanazavan’ny Monseigneur Jean de Dieu Raoelison, izay Filohan’ny FFKM, amin’izao fotoana. Voalohany amin’izany ny fampivondronana ny Malagasy ho iray tsy mivaky, izay natao hanomezan-danja ny kolontsaina malagasy. Manaraka izany ny fandrindrana sy fanavaozana ny rafi-panjakana sy rafi-pitondrana misy ary ny famaritana ny endrika vaovao ny fifamatorana tokony hisy eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Izany hoy hatrany ity Filoham-piangonana ity dia natao hametrahana ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Isan’ny tanjona ihany koa ny fitadiavana modely ara-ekonomika sy ara-tsosialy mahomby sy mety amin’ny Malagasy.
Nanambara ny filohan'ny FFKM fa ho atao anatin'ny mangaraharaha avokoa ireo asa rehetra izay atao. Eo anatrehan’izany dia « ho tanterahina tsy misy fepetra avokoa ireo hevitra tapaka rehetra », hoy hatrany izy. Nanamafy ny tenany fa mitarika ihany ny FFKM ary hanome tosika ny Minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana fa ho eo avokoa ny avy amin’ny finoana hafa sy ireo ray aman-dReny ara-drazana.

Lire la suite

Articles Similaires