• Cours de change
  • 5153.51 AR
  • |
  • $4483.52 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Fitantanana ny loza : Manamafy ny fiaraha-miasany ny Vokovoko mena, ny FICR, ny FCDO ary ny BNGRC

09/12/2025 16:22 © Moov

Niara-nivory tao amin’ny foiben’ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC), ny Foreign Commonwealth & Development Office (FCDO), ny Fédération Internationale des Sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant-Rouge (FICR) ary ny Croix-Rouge Malagasy (CRM), omaly. Nanamafy ny fiaraha-miasany ho fanatsarana ny fahavononan’ny vondrom-piarahamonina amin’ny fitantanana ny loza manerana an’i Madagasikara, izy ireo.

Fandrosoana azo tsapain-tanana tamin’ny programa PTRM

Efa maro ireo tetikasa nentina hanatsarana ny mety ho fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra amin’ny Malagasy marefo eto Madagasikara. Ity fihaonana ity dia fotoana iray nanehoan’ny CRM ireo zava-bitany avy amin’ny Fandaharan’asa « Préparation et Résilience Multirisques » na PTRM.
Nohamafisin’ny CRM ny anjara asa lehibe vitan’izy ireo. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vondrom-piarahamonina, fanentanana momba ny fitantanana ny loza, fanofanana ireo Équipes Locales de Secours (ELS), ary fandraisana anjara mavitrika amin’ny hetsika ataon’ny BNGRC toy ny SIMEX, PCR ary fiofanana samihafa.
Amin’ny alalan’ny mpilatsaka an-tsitrapo, izay miparitaka amin’ny faritra 23, mitana andraikitra lehibe ny CRM amin’ny famaliana haingana sy ny asa eny an-kianja. Indrindra amin’izao vanim-potoana mampamaivay ny fiovaovan’ny toetrandro izao.

Nohamafisin’ny BNGRC ny laharam-pahamehana nasionaly

Naverin’ny BNGRC nanoloana ireo mpiara-miombon’antoka ireo, ihany koa, ireo laharam-pahamehana nasionaly amin’ny sehatry ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahafaha-miatrika eny ifotony manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro, fananganana rafitra GRC de proximité hampanakaiky ny valin-kafatra amin’ny vahoaka, fampiroboroboana ny fomba fijery NEXUS (humanitaire, développement, paix), ary fitandrovana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny fanampiana ara-pitaovana, ara-bola ary ara-pitaovana.
Nifampiresahana ihany koa ny amin’ny fandrosoan’ny Fandaharan’asa « Préparation et Résilience Multirisques », izay natomboka tamin’ny volana Jolay 2024 ary haharitra hatramin’ny Martsa 2027. Araka ny fanazavana, fokontany 48 avy amin’ny faritra 4 no efa mandray tombontsoa, ary kasaina haparitaka tsikelikely amin’ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara izany.
Nivoitra nandritra ity fihaonana ity fa mbola samy vonona hifanome tanana ireo mpiara-miombon’antoka ireo amin’ny fanamafisana ny fiomanana manoloana ireo loza isan-karazany. Voaray ao anatin’izany avokoa na ny rivo-doza, ny tondra-drano ary ny hain-tany ; ireo rehetra ireo izay samy mampitondra faisana ny Malagasy avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires