• Cours de change
  • 5142.62 AR
  • |
  • $4472.87 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Te hampihena vatana ? Ireo fahazarana mila atsahatra

09/12/2025 12:33 © Moov.Mg

Efa akaiky tokoa izao ny fetin’ny faran’ny taona. Maro ireo maniry hampihena vatana ka efa miezaka manao ireo karazana « régimes » sy fanatanjahantena samihafa hatongavana amin’izany. Mba hahazoana vokatra mahafa-po dia misy ireo fahazarana manakana ny fanenana vatana izay mila atsahatra.

Te hampihena vatana : tandremana ny sakafo hoanina

Isan’ireo antony voalohany manakana na manasarotra ny fahampihenan-tena ny fahazarana ara-tsakafo. Ny sakafo misy lafarina, tavy na menaka be, siramamy… dia mahabe kibo. Ara-pahasalamana ary manampy amin’ny fanenan-tena ny fihinanana sakafo toy ny legioma, trondro, voankazo… Ferana arak’izay azo atao ny fihinanana hena mena, ny vokatra misy « féculents », siramamy…

Be loatra ny fatran’ny sakafo hoanina

Mila ampy otrikaina sy mineraly ny vatana mba ho salama sy ampy tanjaka. Mila voalanjalanja tsara kosa nefa ny fatran’izy ireny. Ny fihinanana sakafo be loatra dia mampitombo ny tahirin’ny tavy ao amin’ny vatana, indrindra ireo ao ambanin’ny hozatry ny kibo sy manonidina ireo taova lehibe. Ireo tavy ireo dia sady sarota mihena no mampitombo ny « risques » hahavoan’ny aretina mitaiza, toy ny diabeta sy ny aretin’ny fo sy ny lalandrà.

Fisotroana toaka sy zava-pisotro mamy be

Fahazarana manasarotra ny fanenana vatana, indrindra ny eo amin’ny kibo, ny fahazarana misotro toaka. Raha tsy manao fanatanjahantena sady mihinana sakafo be « glucides » dia tsy ho sarotra tokoa ny manala ny tavy. Mila fadiana arak’izay azo atao ihany koa ny fisotroana zava-pisotro mamy be sy misy « gaz ». Ireto farany dia miangona eo amin’ny tavin’ny kibo ka manakana ny fampihenana izany.

Tsy fanaovana fanatanjahantena

Isan’ireo fomba manampy betsaka amin’ny fanenana vatana ny fanaovana fanatanjahantena matetika. Tsy voatery manao fanatanjahantena mafy fa ny zava-dehibe dia ny fanetsiketseham-batana mandritra ny 30 minitra farafahakeliny isan’andro. Izany dia mba handoroana ireo kaloria (tavy) mihoatra izay mahatonga ny tavy.

Lire la suite

Articles Similaires