Diabeta : ireo soritr’aretina mpiseho rehefa amin’ny alina
Matetika ny diabeta dia misoko miadana, tsy ahitana fambara firy. Mandritra ny torimaso amin’ny alina nefa dia mety misy ireo soritr’aretina lehibe mitranga sy tokony hahamailo. Mbola miatrika ireo fiovaovan’ny tahan’ny siramamy anaty rà (glycémie) tokoa mantsy ny vatana rehefa amin’ny alina. ‘Ndeha ary ho fantarina eto ny santionany amin’ireo soritr’aretin’ny diabeta mpitranga amin’ny alina ka tokony arahi-maso.
Mitsangana mivalan-drano matetika amin’ny alina
Isan’ireo soritr’aretina mpitranga rehefa miakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà (hyperglycémie) ny fifohazana mandeha mivalan-drano matetika amin’ny alina. Rehefa avo loatra ny tahan’ny siramamy anaty rà dia lasa tsy maharaka ny fitantavanana azy izany intsony ny voa ary mamoaka azy ireo amin’ny pipy. Izany dia mampitombo ny fivalanan-drano, eny na amin’ny alina aza. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa manakorontana ny torimaso io fifohazana matetika io ka lasa mitarika havizanana eo amin’ilay olona diabetika mandritra ny tontolo andro.
Tsemboka be mandritra ny torimaso
Fambara iray maneho « hypoglycémie » na hoe fidinan’ny tahan’ny siramamy anaty rà ny hatsemboana be ao anatin’ny torimaso. Matetika izany dia miseho miaraka amin’ny fangovitana sy fidobodoboky ny fo malaky. Rehefa midina ambanin’ny « seuil critique » ny « glycémie » no mitranga izany. Mety manakorontana ny torimaso moa io tranga io ka mahatonga nofy ratsy.
Mangetaheta be amin’ny alina
Fambaran’ny « hyperglycémie » isan’ny fahita ny fifohazana matetika amin’ny alina satria mahatsiaro mangetaheta mafy. Rehefa miangona be loatra anatin’ny rà ny siramamy dia lasa manintona ny rano anatin’ireo sela. Lasa tratry ny « déshydratation » moa ireto farany ka izay no mahatonga ilay olona mahatsapa maina ny ao am-bava na ny tenda. Mora mivadika fahazarana moa io fifohazana misotro rano amin’ny alina io ka maro no tsy mahafantatra fa tsy ara-dalàna izany.
Manofy ratsy, mitebiteby… ao anatin’ny alina
Ny nofy ratsy matetika, ny fahatsapana toy ny misy manindry, na koa ny fidoboky ny fo malaky mandritra ny torimaso amin’ny alina dia mety ho fambarana « hypoglycémie » lalina. Ao anatin’ny « état de stress métabolique » ny vatana ka lasa maneho fiarovana, toy ny hatsembohana, « palpitations », nofy ratsy. Raha tsapa fa miseho matetika ireo fambara ireo dia mila manantona mpitsabo sy manao fitiliana diabeta.



