• Cours de change
  • 5142.62 AR
  • |
  • $4472.87 AR
Copyright Image : © Vroxi
Image
Vaovao

Andro fahavaratra : Mitohy ny orambe amin'ny faritra maro eto Madagasikara

08/12/2025 09:40 © Moov

Mahazo vahana hatrany ny volon'andro fahavaratra saika manerana an'i Madagasikara. Amin'izao tapany voalohan'ity herinandro ity izao, hisitraka orambe i Antananarivo sy ny manodidina, sy ny faritra Avaratra sy Atsinanana.

Vinan'ny toetry ny andro

Hanorana tandrifindrahona mety harahin-kotroka amin’ny ankapobeny ho an’ny afovoan-tany, ny faritra avaratra ary atsinanan’ny Nosy hatramin’ny alakamisy, indrindra ny tolakandro. Tombanana hikisaka any amin’ny ilany afovoany andrefan’ny Nosy izany any amin’ny faran’ny herinandro. Vinavinaina ho maina arak’izany ny andro any an-kafa manomboka ny zoma.Tsara raha miomana amin'ny aro orana hatrany ny mponina rehetra amin'ireo faritra voalaza ireo. Ny tolakandro, hariva sy alina no tena hikija ny orana.
Mikasika ny maripana kosa, manodidina ny 13 # 25 °C izany ny maraina, ary eo anelanelan’ny 25 # 38 °C ny tolakandro.

Fampitandremana

Marobe ireo loza mitranga rehefa fahavaratra toy izao : fihotsahan'ny tany/ tamboho, firodanan'ny trano, fahasimbana na fipoahan'ny fitaovana mandeha amin'ny herinaratra, sns. Noho izany indrindra, entanina ny rehetra mba hampitombo ny fahamailoana.
Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy hisorohana ny loza amin'izao fahavaratra izao :
Tapaho ny fitaovana mifandray mivantana amin'ny herinaratra
-Fadio ny misaika (mandro) rehefa mikotroka ny andro
-Aza miantso amin’ny finday raha tsy misy hamehana
-Aza mialoka na mijanona eny ambanin’ny hazo na toerana tsy azo antoka (tamboho avo ohatra)
-Aza manala kapa na kiraro, hiarovana ny tongotra amin'ny zavatra maranitra na manindrona, sy ny mety ho tariby mitondra herinaratra latsaka amin'ny tany
-Mialà amin'ny trano tsy azo antoka, indrindra raha miorina amoron-drano na ambony vato

Lire la suite

Articles Similaires