Ady amin’ny Fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko : Hamafisina ny fanomezam-baovao avy eny ifotony
Mila amafisina ny ady amin’ny fitrandrahana zava-manan’aina antsokosoko eto Madagasikara, indrindra manoloana ireo trafika izay nifanesisesy tato ho ato. Nisy dinika an-databatra boribory notontosaina tany Taolagnaro, ho fametrahana paikady mahomby, hisorohana sy hiadiana amin’izany fanimbana ny tontolo iainana izany.
Trafikana biby arovana
Mateti-piavy tato ho ato ny fahatrarana trafikana biby arovana. Isan’izany ny nahasaronana sokatra miisa 162 isa tao an-tranon’ny tera-tany sinoa teny Ilaivola Ivato, ny 3 desambra lasa teo, sy ny nahatrarana lehilahy iray niaraka tamin’ny sokatra miisa 85, tany amin’ny Distrikan’i Tsihombe, afak’omaly 4 desambra 2025. « Mihamitombo ny tsindry vokatry ny fanondranana ny harena voajanahary », araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Manesimana Rafenomezantsoa Michaël, antony nanatanteraana ny fikaonan-doha tany Taolagnaro, Faritra Anôsy, mba handinihana sy hametrahana ny paikady hiatrehana ireo trangana fanondranana sy fitrandrahana ireo harena voajanahary.
Dinika an-databatra boribory no notontosaina, omaly 5 desambra 2025, nandraisan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny Faritra Anôsy sy Androy anjara, notronin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny mpitandro filaminana ary ny solontenan’ny mponina eny ifotony.
Fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena
Isan’ny nisongadina tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra, mivantana na an-kolaka, amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Voakasik’izany ny fitaleavam-paritry ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao Anôs sy Androy, ireo mpitandro ny filaminana, ny Turtle Survival Alliance (TSA) ary ny mponina eny ifotony. Tapaka ihany koa fa hitarina ny tambajotran’ireo mpizara vaovao (informateurs) eny ifotony ary hamafisina ny fanaraha-maso eny an-dranomasina sy ny fisavana eny amin’ny lalam-pirenena. « Taloha, efa tafavoaka any ivelany ireo biby vao fantatsika, fa ankehitriny, hotratrarina eny ifotony ny fitrandrahana tsy ara-dalàna », hoy ny minisitra. Noho izany, tanjona fohy ezaka, araka ny dinika nifanaovana, ny fametrahana ireo « agents de renseignement » eny ifotony. Hiarahana miasa amin’ny zandarimariam-pirenena, hoy ny minisitra, ny fametrahana sampandraharaha manokana (unité spéciale) momba izany. Izany rehetra izany dia mba hahazoana vaovao malaky sy hampiakarana hatreny anivon’ny ministera, amin’ny fotoana faran’izay haingana, ireo angom-baovao momba ny tontolo iainana.
Etsy an-daniny, ny faharefoan’ny foto-piveloman’ireo mponina ihany koa no isan’ny mampirongatra ny fanondranana an-tsokosoko. Noho izany dia nilaza ny minisitry ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy fa hamafisina ny tohana omena ireo mponina manakaiky ny faritra arovana sy ahitana harena voajanahary, mba hananan’izy ireo velon-tena ampy, ka tsy hikitihan’izy ireo ny harem-pirenena. Ny tetikasa PA-CIWT sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana (FEM) no nanohana ny fanatanterahana ity fihaonana ity.



